Alahady 24 janoary 2021 — Alahady fahatelo mandavantaona — Akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra ; minoa ny Evanjely — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 1, 14-20

Ny hitory ny Fanjakan'Andriamanitra no nahatongavan'i Jesoa teto an-tany. Koa manentana ny olona nitenenany Izy mba hibebaka ka ho vonona handray io Fanjakan'Andriamanitra. Tsy azo sarahana amin'ny fahatongavan'i Jesoa ny fahatongavan'ny Fanjakan'Andriamanitra io eto an-tany. Nofidin'i Jesoa i Galilea hanombohany ny fitoriana ny Fanjakan'ny lanitra satria toerana nitoeran'ny tsy mpino maro tao. Ny fahatongavan'ny Evanjely no hahatonga ny olona ho afaka, afaka amin'ny gejan'ny fahotana sy ny fahafatesana. Koa mitondra ny hazavan'ny fiainana ny Evanjely, ireo mipetraka ao antin'ny maizina niposahan'ny mazava. Manova ny fiainan'ny olona mandray azy ny Vaovao Mahafaly. Tenin'i Jesoa any ho any ny hoe “indro ao anatinareo ny Fanjakan'Andriamanitra”. Ny fiainana ao anaty no ovain'ny Tenin'Andriamanitra, dia ny fo, ka hahatonga ho olom-baovao, olona mibebaka sy ho maha te ho tia eo anatrehan'ny hafa.

Henontsika tamin'ny Evanjely teo fa asa vadi-drano ny fitoriana ny Evanjely ka tsy vita raha tsy hifanakonana. Niantso mpianatra i Jesoa, dia ireo mpanarato tao amin'ny ranomasin'i Galilea. I Simôna sy i André rahalahiny ; i Jakôba zanak'i Zebede sy i Joany rahalahiny : olona eo am-perin'asa, mpanarato mitady ny fivelomany. Izay nantsoiny dia nandao ny haratony avy hatrany, nandao ny rainy mihitsy aza toy ireto farany ka tsy ho mpanarato trondro fa ho mpanarato olona. Ny antony dia satria rehefa tapa-kevitra ny hirotsaka hanaraka an'i Jesoa dia tsy maintsy misy zavatra afoy sy ilaozana. Tsy mamela hipetrapetra-potsiny ny Evanjely fa maniraka avy hatrany hiasa, hitondra famonjena ho an'ny olona. Ny nahatongavan'i Jesoa teto an-tany dia ny hamonjy ny olona. Noho izany ireo rehetra tapa-kevitra hanaraka Azy dia tsy maintsy vonona hiombona asa Aminy.

Isika àry, antsoina hoe kristiana, tsy foto-kevitra no arahana amin'izany fa Olona, dia i Jesoa Kristy Ilay Teny tonga Nofo. Nanomboka tamin'ny Batemy dia efa voaantso isika hitory ny Vaovao Mahafaly, hitondra ny Fanjakan'Andriamanitra amin'ny sehatra rehetra misy antsika, amin'ny alalan'ny fijoroana amin'ny fahamarinana, ny fitiava-namana, ary ny fitiavam-bavaka, ny fitiavana an'Andriamanitra. Ireo fihetsika ataontsika maneho ireo toetra feno fitiavana ireo dia efa mahaova ny tontolo manodidina antsika ho araka ny sitrapon'Andriamanitra. Amen !

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...