Talata 7 septambra 2021 — Herinandro fahatelo amby roapolo mandavantaona — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 6, 12-19

Ry kristianina havana, matetika rahefa misy zavatra lehibe ho tapahina dia miantso fivoriana isika, maka ny hevitry ny namana, mitsapa ny hevitry ny namana amin’ny fanapahan-kevitra ho raisina. Ho an’i Jesoa kosa dia lasa Izy nandeha any an-tendrombohitra mivavaka. Mivavaka nandritra ny alina manontolo. Mivavaka samirery. Fahendrena sy fahamalinana ny tsy fahamaizana manapa-kevitra samirery fa ilaina ny mandinika tsara aloha, maka hevitra ary indrindra ny mikatsaka ny sitrapon’Andriamanitra. Hifidy mpiara-miasa i Jesoa, izay antsoiny hoe apôstôly adika hoe "iraka". Irahan’i Jesoa izy ireo amin’ny fitoriana ny fanjakan’Andriamanitra. Ho namana, mpiara-miasa akaiky amin’i Jesoa.

I Jesoa, ilay irak’Andriamanitra Ray, fa Izy rahefa avy eo dia niantso ny olombelona hiara-miasa aminy. Izy no mifidy. Mampahatsiahy antsika fa ilaina ny fifanampiana, tsy mahavita tena samirery isika, ary ianao dia misy ilaina anao, ilain’ny manodidina anao amin’ny sehatra maro samihafa. Roa ambin’ny folo lahy no nofidian’i Jesoa. Mampatsiahy antsika ny vahoaka Israely niforona tamin’ny foko roa ambin’ny folo. Ireto Apôstôly no ho vahoaka Israely vaovao, hanorina ilay Eglizy.

Tsy natao ho an’ireto roa ambin’ny folo lahy irery ny hoe Apôstôly fa i Masindahy Paoly sy i Barnabe ary ireo namaky lay voalohany nitory ny Evanjely ao amin’ny Testamenta Vaovao dia voateny ho apôstôly koa. Isika kristianina tsirairay koa dia antsoina hoe apôstôly rehefa manatontosa ny asa fanirahana ao amin’ny Eglizy sy mijoro ho vavolombelon’i Kristy amin’ny fiainana sy ny teny. Avy amin’izany indrindra ny teny hoe "apostolat". Tsy mitsahatra manohy miantso mpianatra i Kristy, na lehilahy na vehivavy, na avy aiza fiaviany. Ny andron’ny batemy isika no antsoiny tahaka ny apôstôly amin’ny anarantsika, hiaina miaraka aminy, hanaraka ny diany, hanambara ny finoantsika amin’ny hafa.

Ireto Apôstôly àry no niara-niaina tamin’i Jesoa sy nampitany ny finoana. Izy ireo koa no vavolombelon’ny nijalian’i Jesoa sy ny nahafatesany ary ny nitsanganany ho velona. Isika no nandova izany ankehitriny ary anjarantsika no mampita izany mba ho lovan’ireo taranaka any aoriana. Efa taon-jato maro nifandimby no niampitan’ny finoana tamin’ny taranaka nifandimby. Maro ny olana nosedrainy fa mandraka androany, mbola mijoro ary mbola mifototra amin’ny fampianaran’i Kristy ny Eglizy. Tsaroantsika ny tenin’i Jesoa tamin’i Piera : ianao no Piera ka eo ambon’izany vatolampy izany no anorenako ny Eglizy ka ny vavahadin’ny satana tsy haharesy azy.

Mivavaha àry, ho an’ireo dimbin’ny Apôstôly, indrindra ny Papa, dimbin’i Masindahy Piera, hanana fahasoavana manokana hatrany izy ireo ahafahany mitarika antsika tsy hivadika amin’ny finoantsika. Nandalo taty amintsika ny Papa, roa taona lasa izay, nametraka hafatra maro tamintsika ho mpamafy fiadanana sy fanantenana. Enga anie ilay jirokely eo ampelatanantsika mba tsy ho maty eny an-dalana fa ho voaaro ka ho tonga any amin’ireo taranaka mifandimby.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...