Alarobia 8 septambra 2021 — Ny nahaterahan'i Masina Maria Virjiny — Sambatra ianao, ry Masina Maria Virjiny, tena mendrika tokoa ny fanajana rehetra, satria tao aminao no nipoiran’ilay Masoandrom-pahamarinana: dia i Kristy Andriamanitsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 1, 18-23

Omaly isika dia nanaraka ny Soratra Masina amin’ny fifidianan’i Jesoa ireo apostoly roa ambin’ny folo lahy. Androany isika dia mahita an’i Maria sy i Josefa ho tokantrano ara-dalana ho ray aman-dreny hitaiza an’i Jesoa. Henontsika foana ity Soratra Masina ity amin’ny fotoanan’ny fiaviana, vakiana amintsika indray androany amin’ny fankalazana ny nahaterahan’i Maria. Na dia i Maria renin’i Jesoa aza no ivon’ny fankalazana, ny Soratra Masina dia mampiseho zavatra lehibe tsara ho fantatra momba ny fanambadiana, mikasika ny fanekena ary ny fahatanterahan’ny Soratra Masina.

Ny fahatongavan’i Jesoa ho nofo dia tsy nataon’Andriamanitra hafahafa amin’ny maha-Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra azy, fa nataon’Andriamanitra tonga nofo ao anatin’ny fianakaviana ara-dalana. Manana reny sy ray ara-dalana Izy. Ny fanambadiana dia antso masina ary sitrak’Andriamanitra. "Handao ny yay aman-dreniny ny lehilahy ka hikambana amin’ny vadiny ary ho nofo iray ihany izy ireo" (Jen 2, 24). Nifamofo i Josefa sy Maria.

Ny fifamofoana teo amin’ny Jody dia efa fanambadiana ara-dalana na dia mbola tsy miray trano aza. Kanefa teo indrindra no tsikaritr’i Josefa fa nitoe-jaza i Maria. Izany hoe lasa vehivavy ratsy fitondran-tena i Maria, nanitsakitsaka ny fifamofoana na latsaka tao amin’ny fijangajangana satria nitondra vohoka. Manimba ny tokantrano ny fivadihana na ny fanitsakitsahina ny fanambadiana, matetika ny lehilahy no mora tohina amin’izany ka i Josefa dia efa nieritreritra hametraka mangingina an’i Maria. Raha handrava ny fanambadiana mantsy i Josefa dia hanambara izany ampahibemaso ka ho voatora-bato i Maria.

Hita ankehitriny, eny amin’ny fiaraha-monina, fa rahefa misy olana sy korontana eo amin’ny tokantrano dia matetika mifampitory ny mpivady. Tsy ilaozan’ny olana ny fiainana indraindray fa mahareta ary mitodiha amin’Andriamanitra, ary henoy Izy. Tsy sitrak’Andriamanitra ny fandravana ny tokantrano, ka Izy Andriamanitra mihitsy no nandidy an’i Josefa hoe : "Aza matahotra hampakatra an’i Maria ho vadinao".

Ny fampakaran’i Josefa an’i Maria ho vady no fanekeny ny sitrapon’Andriamanitra sy ho rain’i Jesoa ara-dalana. Tanteraka ny Soratra Masina fa ilay Mesia dia hipoitra avy amin’ny taranak’i Davida.

Mety hisy alaim-panahy hoe raha hijaly am-panambadiana, aleo tsy manambady fa aleo miteraka tsy manambady. Mety misy azon’ny tsy anoharana ka tsy manambady tokoa. Fa Izy Andriamanitra kosa no mampianatra fa ilaina ny fijoroan’ny tokantrano ara-dalana.

Hitondra am-bavaka ireo izay mpifamofo, ireo miomana amin’ny lalan’ny fanambadiana isika. Ny fitiavana marina no takina amin’izy ireo izay vao ny fananana taranaka. Handinika tsara anie ireo mpifamofo vao hiroso any amin’ny fanapahan-kevitra satria ny tokantrano aorina dia fanehoana ety an-tany ilay fitiavan’Andriamanitra lavorary tsy mivadika antsika olombelona an’ilay Andriamnaitra tsy hita maso. Tsy mivadika amintsika olombelona Andriamanitra na inona na inona fivadihana ataontsika aminy. Izay ilay fitiavana maharitra, tsy mivadika (1 Kor 13).

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...