Arahanao amin'ny rakitsary eto ny firarian-tsoa avy amin'i Mgr Désiré Tsarahazana. "Raha tiantsika ny ho sambatra, dia tsy maintsy mampanjaka ny marina isika", hoy i Mgr Désiré Tsarahazana tamin’ny firarian-tsoa nataony ho an'ny Malagasy amin’izao Noely izao. Tia antsika rehetra tsy an-kanavaka Andriamanitra, noho izany dia tokony hifanaja sy hanampy ary hiaro ireo marefo indrindra.

{mp4}md-noel-2020-cardinal{/mp4}

[Miara-dàlana] Zoma 7 aogositra 2026

• Tontosa ny 4 sy 5 aogositra ny fihaonana voalohany nataon'ny SCEAM ho fanomanana ny "Fihaonam-ben'ny Eglizy 2028"... •Tanterahana ao Befandriana Atsimo ny JMJ 7 ao amin'ny Diosezin'i Morombe... •Fanehoana fanantenana ny vavaka hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...