Ny alakamisy 8 jona no hatsiarovana ny maha maritiry ny Olomasina Jeacques Berthieu, izay vavolombelon'ny finoana. Voatendry ho Arsevekan'Antananarivo i Mgr Jean de Dieu Raoelison, izay handimby an'i Mgr Odon Razanakolona. Ny fetin'ny Sakramenta Masina dia ny 8 jona ihany koa. Ny laïka no tompon'andraikitra voalohany amin'ny fampandrosoana ny firenena, koa ilaina ny firotsahan'ny tsirairay indrindra isika kristiana.

Entitra ny fampianaran'ny Eglizy mikasika ny fampandrosoana sy ny fampivoarana ary ny fahandriampahalemana, izay atao amim-pahemendrehana. Mila fanabeazana sy famolavolana toe-po amam-panahy ary foto-pisainanana mirindra, manomboka amin'ny fahazazana hatramin'ny fahalehibiazana mba hamongorana ireo ratsy isan-karazany sy ny kolikoly ary ny fanararaotana samihafa. Tsy tokony ny "vola" no mibaiko amin'ny zavatra hatao fa ny fitsinjovana ny "aina".

[Miara-dàlana] Zoma 1 aogositra 2025

• Mila mpitondra hafatra ho an'ny fanantenana izao tontolo izao, hoy ny Ray masina, tamin'ny fanokafana ny Jobilin'ny Tanora ny 29 jolay 2025... • Nosokafana androany maraina, tao amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny Jobilin'ny Tanora sy Andron'ny Tanora eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Nankalaza ny Taon-jobily ihany koa ny tao amin'ny Diosezin'i Port-Bergé, ny Tanora tao amin'ny Faritra Androna...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...