I Masindahy Gildas no tsaroana ny 29 janoary. Zanak'andriana tao Grande-Bretagne i Gildas. Teraka tao Écosse tokony ho tamin'ny faramparan'ny taonjato fahadimy. Taona niadian'ireo Bretons lasa romanina tamin'ireo Saxons mpandroba moa io taona io.

Teo amin'ny faha-20 taonany i Gildas no niondrana nankany amin'ny trano fitokana-monina tany Pays des Galles mba hiofana ho pretra. Mpianatr'i Masindahy Germin avy any Auxerre no nitantana am-panahy azy ary ny taona 518 izy no nohamasinina ho pretra ka nomena anaram-bosotra hoe "Ilay hendry". Ny fahamasinana tsotra teo aminy no nanintona ireo mpiray tanindrazana taminy ka nampibebaka azy ireo.

Rehefa avy nitory sy nampibebaka ny tao an-tanindrazany i Gildas dia nandalo tao Irlande mba hamonjy an'i Armorique. Nonina tao amin'ny nosy Houat manamorona an'i Rhuys aloha izy. Nanorina trano fitokana-monina tao izy noho ny hamaroan'ireo mpianatra nanara-dia azy, ary amin'izao fotoana izao dia mitondra ny anarany io trano io.

Nanoratra ihany koa i Gildas, ary isan'ny fanta-daza tamin'izany ny "De la ruine de la Bretagne", boky nosoratany tamin'ny fikorontanana vokatry ny firodanan'ny Sivilizasiôna Romanina tamin'ny fanafihana misesy nataon'ireo Saxons. Ao ihany koa ireo boky nosoratany momba ny fomba fivavahan'ireo fiangonana Celtes ary eo ihany koa ny tantaran'i Bretagne. Nodimandry ny taona 573 tao Rhuys i Glidas ary mbola vaotahiry sy hajaina ao amin'io trano fitokana-monina nahoriny io izy. Antsoina hoe "Apôstôlin'i Bretagne" i Gildas ary olomasina mpiaro ny diosezin'i Vannes.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...