I Masimbavy Martine no tsaroana rehefa 30 janoary. Teraka tao Roma avy amin'ny fianakaviana fanta-daza i Martine. Intelo ny rainy no "Consul" ary niavaka tamin'ny finoana velona sy ny fitiavana mivaivay nananany. Rehefa maty io rainy io dia namidin'i Martine avokoa ireo fananany ary ny vola azony dia nentiny nanaovana asa fitiava-namana sy famindram-po ho an'ireo mahantra.

Fotoana nanjakan'ny Amperora Alexandre, izay fatra-panenjika kristianina tokoa, tamin'izany. Hitan'ireo iraka mpisambotra izay mpanara-dia an'i Kristy i Martine nivavaka tao am-piangonana ka nosamborina. Nanaraka azy ireo mora foana i Martine fa rehefa tonga teo amin'ny Amperora dia nandà ny hanao sorona amin'ny sampy izy. Nentina tao amin'ny tempolin'i Apollon izy, fa teo am-pidirana dia nanao famantarana ny hazofijaliana ary nivavaka tamin'i Jesoa Kristy. Tampoka, nisy horohoron-tany mafy ka nirodana ny ampahany tamin'ny tempoly ary nitresaka ireo sampy. Tezitra ny Amperora ka nanome baiko ny hamelezana totohondry sy hanantonana an'i Martine amin'ny farango vy. Tamim-paharetana no niainan'i Martine izany fampijaliana azy izany. Vizana ihany ireo mpampijaly nifandimby teo no indro nisy hazavana avy any an-danitra nanarona azy ireo ka nampibebaka azy.

Nentina niverina tany amin'ny Amperora i Martine, fa mbola nolaviny hatrany ny sorona amin'ny sampy. Nafatotry ny Amperora tamin'ny tongo-drihana efatra izy ka nokapohana mafy ary tsy naato ny kapoka raha tsy efa vizana ireo mpampijaly. Nentina niverina tany amin'ny fonja izy, norarahana rano mangotraka ny feriny, nefa nisy anjely nankahery sy nanala alahelo azy. Ny ampitson'io, nentina tany amin'ny tempolin'i Diane indray izy. Nandositra tamim-peo mampatahotra ireo demony, nilatsaka ny varatra ka nirehitra ny tempoly ary may tao ireo mpisorona tao. Natahotra ny Amperora ka nomeny an'i Justin i Martine ary ilay io no nandrotidrotika azy tamin'ny fihogo vy ary nihevitra io fa maty izy. Rehefa hitany anefa fa diso fihevitra izy, dia niresaka tamin'i Martine izy hoe: "Tsy hanolotra sorona amin'ny sampvy ve ianao, amin'izay tsy ho tratry ny fampijaliana izay efa nomanina ho anao?" Fa hoy i Martine: "Manana an'i Jesoa Kristy ho Tompoko aho, ary Izy no mankahery ahy. Tsy manolotra sorona amin'ny demony aho". Tezitra i Justin ka nanome baiko ny hamerenana azy any am-ponja.

Rehefa naheno an'izany ny Amperora dia nasaina nentina teny amin'ny kianja fanaovana fampisehoana izy mba hatolotra ireo biby masiaka nefa dia natory teo an-tongony ilay biby ary nilelaka ny feriny no nataon'ity liona noheverina fa hihinana azy. Nentina niverina tany amin'ny tempolin'i Diane indray i Martine, mbola nandà ny hanao sorona tamin'ny sampy izy ka norotidrotehina indray ny nofony ka niseho daholo ny taolany. Hoy ilay mpampijaly taminy: "Ekeo fa andriamanitra i Diane, dia afahana ianao". Fa hoy i Martine: "Kristianina aho, ary mino an'i Jesoa Kristy". Natsipy tao anaty afo avy hatrany izy, nitsoka anefa ny rivotra ary nirotsaka ny orana ka nahazo ireo mpandoro sy mpijery ny afo. Najanona tao an-tempoly nandritra ny telo andro i Martine rehefa avy notapahana ny volony satria noheverin'izy ireo fa mpanao "magie" i Martine ka ao amin'ny volony no mitoetra ny heriny. Nandritra izany rehetra izany dia nidera an'Andriamanitra izy. Tsy hitan'i Alexandre intsony izay hatao ka nasainy notapahana ny lohan'i Martine. Navela teo ankalamanjana moa ny vatan'i Martine ary nisy papango roa niambina azy teo mandram-pahazoana alalana ny handevenana azy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...