I Masindahy Jean Bosco no tsaroana ny 31 janoary. Teraka tao Becchi tanàna kely tao Castelnuovo d'Asti tamin'ny aogositra 1815 i Jean Bosco. Mbola kely, vao roa taona monja izy no maty ny rainy ka ny reniny no nanabe azy telo mirahalahy.

Tantsaha, ary tena sahirana ara-pivelomana izy ireo, nefa tsy nikemo i Ramatoa Marguerite reniny fa niezaka araka izay vitany tamin'izany fitaizana an'i Jean Bosco sy ireo rahalahiny izany. Tsy nataon'i Maguerite ambanin-javatra ny fanabeazana ireo zanany ireo ara-pinoana sy araka ny hafatry ny Vaovao Mahafaly.

Teo amin'ny fahasivy taonany i Jean Bosco no nanonofy fa antsoin'Andriamanitra hikarakara tanora. Noraisiny ho filamatra io nofiny io, ka na sahirana ara-pivelomana aza izy ireo dia niezaka nanohy ny fianarany hatrany izy na dia nosembantsembanin'ilay zokiny aza izany faniriany izany. Nanohana an'i Jean Bosco ny reniny, ary nisy pretra iray efa zokiolona iray nanampy azy hahamatotra izany faniriany ny fiainana maha mpisorona izany. Noho ny faharanitan-tsaina sy ny fitozoana ary ny herim-po nananany dia resin'i Jean Bosco avokoa ireo sakatsakana rehetra ka nohamasinina ho pretra izy ny taona 1841 ary noraisiny ho tarigetram-piainany tamin'izany ny hoe: "Da mihi animas, caetera tolle", nalaina tao amin'ny boky Jenezy 14, 21. Raha adika amin'ny teny malagasy io dia hoe: "Omeo ahy ny olona fa ny fananana no ento ihany ho anao".

Rehefa nahita ny fahorian'ireo tanora marobe tsy misy mpiahy sy ny loza aterak'izany, i Jean Bosco, ny tena tsy zakany dia ny nahita ireo tanora tao am-ponja, dia nanapa-kevitra izy hitady ny fomba hisorohana izany tranga izany. Nanorina ny Oratorio izy, izay napetrany teo ambany fiahian'i Masindahy François de Sales. Ity toeram-panabeazana ity dia nataony indrindra hikarakarana ireo tanora sy ankizy sahirana sy mahantra. Nitombo vetivety ireo tanorany, satria raha iray no tanora noraisiny ny 8 desambra 1841, i Barthelemy Garelli io, dia nitombo sivy afaka telo andro ary dimy amby roapolo afaka telo volana. Tao anatin'ny herintaona dia feno valopolo ny isan'ireo tanora nobeaziny sy notezainy ireo. Tsy mba nanam-bola na harena i Don Bosco, fa ho fampandehanana izany toeram-panabeazana izany dia niankina tamin'ny fahasoavan'Andriamanitra izy ary ny reniny no mpanao asa soa nanohana azy voalohany tamin'izany.

Mifototra amin'ny fahendrena, ny finoana ary ny fo ny fanabeazana nampiharin'i Don Bosco, io ilay nantsoiny hoe "système préventif", ary izany no hanazarany ny ankizy hiditra amin'ny hatanorana mba hizotra amin'ny làlana mankany amin'i Kristy: hanamafy ny finoana amin'ny fandraisana sakramenta, amin'ny firotsahana amin'ny asa fanompoana ary ny fianarana asa ho fanomanana ny hoavy. Noho ny fanirian'ireo tanora sasany hanao toy ny nataony no nahatonga azy nanorina ny fikambanana salezianina, izay nankatoavin'ny papa tamin'ny 26 janoary 1854 ka ny 30 jolay 1860 no nohamasinina ho pretra i Michel Rua, voalohany tamin'ireo mpianatr'i Don Bosco. Fifandraisana tamin'Andriamanitra sy ny fitokisana an'i Masina Maria Vonjin'ny Kristianina no fototry ny asan'izy ireo ka nampianariny an'ireo mpianany ary napetrany ho lova ny fiainana ara-pinoana tsotra sy mifototra tanteraka amin'ny hatsaram-panahy sy ny fahadiovam-pitondran-tena. Izany rehetra izany no antsoina hoe asa sy fahalalana honona.

Ny taona 1872 izy nanorina ny fikambanan'ny Masera Filles de Marie Auxliatrice niaraka tamin'i Dominique Marie Mazzarello. Nanorina ny fikambanana lahika ihany koa izy, nantsoina hoe "Coopérateurs" tamin'ny taona 1875, izay nanampy sy nanohana azy tamin'ny fanompoana ireo tanora mila famonjena ireo. Ny 31 janoary 1888 no nodimandry i Don Bosco ary hafatra navelany teo am-pialana aina ny hoe: "Mifankatiava toy ny mpirahalahy ianareo, asoavy ny olona rehetra, aza manao ratsy na iza na iza. Ilazao ny ankiziko fa miandry azy ireo any am-paradisa aho." Tamin'ny fankalazana ny faha-100 taona nahafatesany ny papa Joany Paoly faharoa no nanambara fa antsoina hoe: "Ray sy mpampianatra ny tanora" i Don Bosco.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...