Ankalazaina ny 04 febroary i Masimbavy Véronique na Bérénice. Raha ny tanataran'i Masimbavy Véronique dia ny Evanjely apôkrifa nosoratan'i Nicodème no ahitana azy izay mifandray indrindra amin'ny Lalan'ny Hazofijalian'i Kristy.

Raha iny lavo, novesaran'ny Hazofijaliana iny mantsy i Jesoa dia nisy vehivavy nanatona azy namaoka ny tavany. Nijanona teo amin'ny lamban'i Bérénice ilay endrik'i Jesoa ary io endika nijanona teo amin'ny lamba io no antsoina hoe "Verum icon" izay midika hoe "sary marina" ka nahazoana ilay anarana hoe "Veronica". Nomena ny anarana hoe "suaire" na "voile de Véronique" io lamba io ary notehirizina ao amin'ny fiangonan'i Masindahy Pierre ao Roma hatramin'ny taonjato fahavalo. Fa teo amin'ny taonjato faha-14 sy faha-15 no tena nalaza sy nielipatrana ny fanajana an'i Masimbavy Véronique. Fotoana nanehoana sy nibanjinana ny ampaham-piainan'i Jesoa indrindra fa ny fijaliany.

Tsaroan'ny Fiangonana amin'ny 04 febroary ihany koa i Masindahy Gilbert. Teraka tamin'ny 1087 i Gilbert ary maty tamin'ny taona 1190. Nanorina ny fikambanana nitambaran'ny "moines" sy ny "chanoines" izy ny taona 1148 ka olona tokana ihany no lehiben'ireo. Nikarakara ny kamboty sy ny boka izy ary mandram-pahafatiny dia nahitana ankohonam-piainana 13 nisy lehilahy 700 sy vehivavy 1500 tao Angleterre ary nahatratra 20 izany ankohonam-piainana izany rehefa nofoanan'i Henri VIII. Teo amin'ny faha-80 taonany i Gilbert dia naiditra am-ponja noho ny endrikendrika fa nanavotra an'i Thomas Becket tany an-tsesitany. Teo amin'ny faha-90 taonany kosa dia nokapohin'ireo namany tamin'ny firitsoka izy fa hoe nampijaly azy ireo hono. Maty teo amin'ny faha-100 taonany izy ary efa tsy nahita intsony tamin'izay fotoana izay.

[Miara-dàlana] Zoma 17 jolay 2026

• Notanterahina ny 16 jolay 2026 tao amin'ny Katedraly Kristy Mpanjaka Miarinarivo ny fanaovam-beloma farany an’i Mgr Raymond Julien Razakarivony... • Afafy ka meva ny finoana, io no sori-dalana pastoraly natolot’i Mgr Jean de Dieu Raoelison ho an’ny Arsdiosezin’Antananarivo... • Nosoniavina ny 16 jolay 20026 ny “Déclaration de Rome” momba ny fandraisana andraikitra manoloana ny fitaovam-piadiana nokleary sy ny saina voatran'olombelona...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...