17 febroary — Tsy i Alexis irery akory no tsaroana ny 17 febroary fa maro izy ireo, anisan'izany ohatra ireo olona enina izay niaraka tamin'i Alexis nanorina ny Fikambanan'ny Mpanompon'i Maria na ny Ordre des Servites de Marie.

Samy tsaroana amin'ity andro anio ity avokoa izy fito mirahalahy ireo dia i:

  • Bonfils Monaldo;
  • Jean Manetti;
  • Benoît del Antella;
  • Barthélemy Amidei;
  • Gérardin Sostegni;
  • Ricover Uguccioni
  • Alexis Falconieri.

Samy avy amin'ny fianakaviana ambony tao Florence izy ireo ary niaina tamin'ny taonjato faha-13 tany ho any. Tamin'izany fotoana izany, ny taona 1215 dia nisy vono olona sy fifampifofoina tao amin'io tanana io ka nisara-bazana ny iray tanana. Niaina tao anatin'izany fifankahalana sy lolom-po izany koa izy fito mirahalahy ireto. Ny 10 aogositra 1233 àry, dia niseho tamin'izy ireo ny Mpanjakavavin'ny Lanitra, nitafy akanjom-pisaonana sy nalahelo. Ny taona 1234 dia tapa-kevitra izy ireo fa handao ny hareny sy ny fiadiany ary ny voninahitra ka nanatona ny eveka tao an-tanana naneho ny faniriany hifototra amin'ny vavaka. Nomen'ny eveka toerana tokony ho 15km mihataka ny tanana tao an-tendrombohitr'i Senario izy ireo. Nitoka-monina, nampijaly tena sy nivavaka ary nanaja manokana an'i Masina Maria ka ny akanjon'izy ireo dia akanjo fisaonana tahana ny an'i Masina Maria niseho taminy.

Antsoina hoe Mpanompon'i Maria ny fikambanan'izy ireo ary nanaraka ny fitsipika nosoratan'i Masindahy Augustin. Samy niezaka nanamasin-tena izy fito mirahalahy ary lasa pretra taty aoriana afa-tsy i Alexis, ilay zandriny indrindra, noho ny fanetren-tenany.

I Alexis no maty farany indrindra tamin'izy fito mirahalahy ireo, teo amin'ny faha-110 taonany ny 17 febroary 1310. Vao enin-taona tamin'izay no nankatoavan'ny papa Benoît XI ny fikambanan'izy ireo ho tena ara-dalana. I Alexis no noheverina ho lehiben'izy fito mirahalahy ireto ka izay no heverina ho nandraiketan'ny Fiangonana ny fahatsiarovana azy ireo ho amin'ny andro nahafatesan'i Alexis.

Ny fikambanana naorin'izy fito mirahalahy ireto dia niroborobo fatratra tokoa satria 15 taona lasa izay no efa nahatratra 1200 ny relijiozy lahy tao amin'izany fikambanana izany raha fito izy ireo tany am-piandohana. Voazara amin'ny trano fitokana-monina 220 tamin'izany ireo 1200 ary miasa any amin'ny firenena 25 amin'ny kaontinanta dimy. Raha ny vehivavy indray dia nahitana trano fitokana-monina 14 sy tranon-drelijozy 614 nahitana masera 4950. Raha fintinina dia mivelona ny fahantrana, ny fivavahana ary ny fahatsoram-piainana ombam-piraisan-kina ny Fikambanan'ny Mpanompon'i Maria.

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...