18 febroary — Teraka tao Lourdes tamin'ny taona 1844 i Bernadette Soubirous. Avy amin'ny fianakaviana mahantra izy. Izy no azo heverina fa ohatra tsara raha ny fifandraisana miafina eo amin'ny ankizy sy Andriamanitra no resahana.

Teo amin'ny faha-14 taonany, izany hoe ny taona 1858 dia nisehoan'i Masina Maria i Bernadette, ary nanambarany hafatra. Marihana fa in-18 no niseho tamin'i Bernadette teo amin'ny lava-baton'i Massabielle ilay Virjiny. Niditra ho relijiozy tao Nevers izy ary tamim-panetren-tena tanteraka no niainany tao. Ohatra iray no nilazan'ilay lehibem-pikambanana azy, Sr Marie-Bernard fa hoe olona tsy misy fotony i Bernadette. Noraisiny am-panetren-tena izany, tsy nisehoseho izy nitahiry sy nandinika ny zavatra rehetra tao am-pony.

Ny 16 aprily 1878 izy no nodimandry fa ny 18 febroary kosa no ahatsiarovan'ny Fiangonana azy satria tamin'io daty io ilay Virjiny no nilaza taminy hoe: "Mampanantena anao aho, fa ho sambatra ianao. Tsy eto amin'ity tany ity, fa any an-kafa".

[Miara-dàlana] Zoma 1 aogositra 2025

• Mila mpitondra hafatra ho an'ny fanantenana izao tontolo izao, hoy ny Ray masina, tamin'ny fanokafana ny Jobilin'ny Tanora ny 29 jolay 2025... • Nosokafana androany maraina, tao amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny Jobilin'ny Tanora sy Andron'ny Tanora eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Nankalaza ny Taon-jobily ihany koa ny tao amin'ny Diosezin'i Port-Bergé, ny Tanora tao amin'ny Faritra Androna...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...