11 marsa — I Masimbavy Rosine dia martiry mpanirery tany amin'ny taonjato voalohany tany. Najaina tany Souabe nanomboka tamin'ny taonjato faha-14 izy io ary mpiaro ny tananan'i Wendlingen ao Allemagne.

Nanomboka tamin'ny taona 1679 dia nisy chapelle nampitondraina ny anarany, ary voarakitra ao amin'izany fiangonana izany ny sariny izay maneho vehivavy virjiny martiry, miaraka amin'ny voninkazo lisy sy ny palme ary ny sabatra. Marihana fa ao Wendlingen ao Bavière diosezin'i Augsbourg no misy izany fiangonana mitondra ny anarany izany.

[Miara-dàlana] Zoma 21 aogositra 2026

• Notendren'ny Papa Léon XIV ho Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina i Mompera Mariusz Kasperski, Curé an'ny Fiangonana Masindahy Eugène de Mazenod ao Toamasina... • Diakra 11 no hamasinina ho pretra eto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny sabotsy 22 aogositra 2026... • Hotanterahina ny 26 hatramin'ny 29 aogositra 2026 ny “Camp vocationnel” ho an'ireo tovolahy, karakarain'ny pretra Carmes de Marie Immaculée...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...