12 marsa — Mety ho gaga ianao fa matetika miverimberina ny anarana hoe Grégoire. Maro tokoa ireo olomasina mitondra ny anarana hoe Grégoire fa amin'ity andro anio ity dia i Grégoire Lehibe na ny papa Grégoire le Grand no ankalazain'ny Fiangonana.

I Masindahy Grégoire le Grand dia papa niaina tamin'ny taona 540 ka hatramin'ny 604. Zanaka sénateur izy ary olomasina ihany koa ny nenitoany dia i Masimbavy Tharsille. Antsoina hoe lehibe izy, ary rariny izany satria lehibe izy noho ny fikarohana vitany, ny fahamasinana nananany. Lehibe izy noho ny soa nataony teo amin'ny fiaraha-monina ary lehibe izy noho ny fahamendrehany teo amin'ny naha eveka azy, teo amn'ny maha iraka manokan'ny Ray masina azy satria efa Légat izy ary indrindra indrindra teo amin'ny naha papa azy.

Teraka tao Roma i Grégoire le Grand, ben'ny tanana izy ary nikarakara ny mahantra. Taty aoriana dia lasa toeram-pitsaboana sy trano fitokana-monina ny lapan'ny tanana. Zavatra iray ihany no mba notazoininy tamin'ireo fananany mirentirenty, tamin'izany fotoana izany, dia tsy inona fa lovia volafotsy izay nataon'ny reniny ho fanaterana sakafo ho azy tao amin'io trano fitokana-monina izay naoriny io, nefa nomeny olona ihany koa io lovia io taorina kely fa nisy olona nila vonjy taminy. Tamin-kafanam-po no namakian'i Grégoire ny boky masina ary tsy latsa-danja noho izany koa ny fiaretana amin'ny vavaka sy ny fampijalian-tena nataony.

Indray andro nahita ireo ankizy tsara tarehyavy any Angleterre, namidy teo an-tsena izy. Mbola tsy mpino moa ireo tamin'izany ka nangataka tamin'ny papa i Grégoire mba hitory ny Vaovao Mahafaly any amin'ireo mponina ireo, fa noho ny fimonomononin'ny olona tao Roma dia tsy nalefa indray izy. Rehefa tonga teo amin'ny Fiketrahana masina àry i Grégoire le Grand dia nataony vaindohan-draharaha ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly tany Angleterre. Anisan'ny nampalaza azy ihany koa ny fanavaozana ny fombam-pivavahana, teo ihany koa ny fanatsarana ny hiram-piangonana. Maro ny fampianarana sy ny toriteny nosoratany ary azo heverina fa fotoana namokatra, nampivelatra ny Fiangonana ny fotoana naha teo amin'ny Fiketrahana masina azy.

Nodimandry ny 12 marsa 604 i Grégoire le Grand. Anehoana azy ny sarin'ny eveka mihaino voromailala miteny aminy eo amin'ny sofina. Izy dia natokana ho mpiaro ireo chantres.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 mey 2024

♦ Nodimandry teo amin'ny faha-95 taonany i P. Giovanni Follese, antsoina ihany koa hoe Mompera Joany, avy amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco... ♦ Manasa antsika rehetra hivavaka ho an'ny fiofanan'ny relijiozy sy ny seminarista, ny Papa François, ao anatin'ny tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana mey ity... ♦ Tanjona ho an'ny Antilin'i Madagasikara ny hanana fanabeazana tsaratsara kokoa, izany no antony nanatontosan'izy ireo ny fiofanana tao anatin'ny valo andro, izay nanomboka ny 27 aprily hatramin'ny 5 mey 2024, ho an'ny Diôsezin'i Mahajanga...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...