14 marsa — Teraka ny taona 890 i Masimbavy Mathilde, taranak'andriana ny reniny ary fanta-daza tao Ringelheim tao Saxe ny fianakaviany. Dietrich no anaran-drainy ary i Reinhild no reniny. Notezain'ny renibeny tany amin'ny trano fitokana-monina tao Erfurt i Mathilde.

Zazavavy tsara taiza sy kinga saina i Mathilde, manana bika sy endrika ihany koa ary hainy ny mihaingo sy manafy ny tenany mba hanehoany ny fahamendrehany. Babon'izany endrik'i Mathilde izany i Otton l'Illustre ka nampifamofoiny tamin'ny zanany antsoina hoe Henri i Mathilde. Marihana fa i Henri dia efa nisara-bady. Ny taona 909 no nanaovana ny mariazin'izy ireo tao Wallhausen ary niteraka telo lahy sy roa vavy. Nifanaraka sy nifanambina tsara izy mivady ireto. Miara-mivavaka sy mikaon-doha mandinika izay hitondrana ny vahoaka. Noho ny hatsaran-toetrany sy ny hatsaram-panahiny dia nihaino azy fatratra ny vadiny. I Henri vadin'i Mathilde moa no ilay antsoina hoe Henri l'Oiseleur, mpanjakan'i Francie orientale.

Rehefa maty i Henri dia nitoetra tao an-dapa ihany i Mathilde. Niady fanjakana anefa ireo zanany roa lahy izay nanendrikendrika azy ho manadany ny harem-panjakana amin'ny fitsimbinana ny mahantra. Nalan'ireo zanany ireo tao an-dapa i Mathilde noho izany, notanan'izy ireo ny fananany rehetra azony avy amin'ny vadiny ka nalahelo mafy izy noho ny toetran'ireto zanany. Na teo aza izany alahelony izany dia hainy ny nandefitra. Izy rahateo be herim-po ka lasa nihataka nitoka-monina tany Enger ao Westphalie izy. Taona vitsy taorian'izay dia latsa-panenenana ireto zanany ka nangata-pamelana taminy. Niverina tao an-dapa indray i Mathilde ary izy no nisolo toerana ny andriamanjaka raha nankany Roma i Otton mba handray ny fanosorana ataon'ny papa amin'ny hitondrany ny fanjakana germanique.

Nandritra ny fotoana nitantanan'i Mathilde ny fanjakana dia nataony am-pahamendrehana ny fitondrany ireo vahoaka ary tsy nataony ambanin-javatra sy asa fitsimbinana ireo mahantra. Teo ihany koa ny fanorenana trano fitsaboana sy fiangonana. Ny trano fitokana-monina bénédictine dia efa efatra no naoriny, anisan'izany ny tao Quedlinbourg izay toerana nahafatesany ary nandevenana azy. Tsy nitsahatra nanao asa fanasoavana izy, ary rehefa lasa mpanjaka i Otton Voalohany, ilay zanany lahimatoa, printsy tany Bavière i Henri zanany faharoa, ny zanany fahatelo amin'ny lahy kosa, i Bruno lasa arseveka tao Cologne ; dia nandao ny lapa i Mathilde mba hitoka-monina, ahafahany mivavaka. Ary rehefa maty izy ny 14 marsa 968 dia nalevina teo anilan'ny mpanjaka vadiny.

Feno hatsaram-panahy sy fahamasinana i Mathilde. Rehefa misy sehon-javatra mampalahelo teo amin'ny fiainany dia Andriamanitra irery ihany no nokatsahiny sy notompoiny tamim-paharetrana ka nantsoin'ny olona izy hoe vehivavy nigagana tamin'ny fitiavam-bavaka sy mpanjakavavy kristianina tapitr'ohatra. Niely manerana an'i Saxe sy Bavière ny fanajana azy ary mpiaro ireo fianakaviana maro anaka izy. Antsoina ihany koa i Masimbavy Mathilde hivavaka hanampy ireo ray aman-dreny manana olana eo amin'ny fifandraisana amin'ny zanany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...