10 aprily — Tsy fantatra mazava izay toerana mazava nahaterahan'i Fulbert, fa hoe avy amin'ny fianakaviana mahantra izy. Ny fantatra momba azy dia ny fanarahany ny fampinaran'i Gerbert d'Aurillac tao Reims tamin'ny taona 984. I Gerbert d'Aurillac io ilay papa Sylvestre II taty aoriana.

Avy eo i Fulbert, nalefa tany Chartres ary nampianatra tao nandritra ny 20 taona. Teo amin'ny faha-50 taonany izy no notendrena ho eveka tao Chartres ihany, izany hoe ny taona 1006. Iray amin'ireo eveka lehibe sy masina tao Chartres i Masindahy Fulbert, ary tena manam-pahaizana sy mpikaroka tamin'ny vanim-potoana niainany izy. Nilaozany mora foana ireo mpiara-mihira taminy teo amin'ny fahalalana ny Soratra Masina sy ny fikarohana eo amin'ny fiainana andvanandro. Ny fanetren-tenany dia hita taratra teo amin'ny asa sorany. Voasoratra ao ohatra ny hoe : "Izaho no eveka kely indrindra ao amin'ny Fiangonana lehibe indrindra. Olombelona feno fahoriana, tsy afa-mitondra tena, ary tsy afaka mitondra ny hafa ho amin'ny lalan'ny famonjena". Araka izany dia môdelin'ny eveka i Fulbert amin'ny hafanam-po, amin'ny fiarovana ny tombon-tsoan'ny Fiangonana. Tsy nanao antsirambina ny fitantanana ny vahoakan'Andriamanitra izy, ary manokana fotoana ihany koa, hanoratana boky masina.

Ny fampianarana momba an'i Masina Maria, izay nohajainy fatratra, dia niavaka tokoa. Ary hita taratra amin'i endriny izany rehefa manentana ny fombam-pivavahana fanajana an'i Masina Maria izy, fa dia hita fa tia sy manintona ny fomba hanaovany an'izany. Nankasitraka izany fitiavany izay ilay Renin'Andriamanitra ka raha narary mafy i Fulbert, dia i Maria mihitsy no nadraraka ny menaka masina teo amin'ny molony ka sitrana sy nisava teo ny aretina nahazo azy.

Anisan'ny iray nahafantarana an'i Fulbert ny fanorenana ny katedraly tao Chartres, izay mbola mijoro tsara ankehitriny. Rava noho ny hain-trano mantsy ilay teo aloha, ary izy no nanorina io katedraly io tamin'izay mba nananany. Ilay Tempoly mahagaga, tao no nidrany sy nanomezany voninahitra an'Andriamanitra tamin'ny hira kanto sy ny fombam-pivavahana mendri-kaja. Hita ao ambanin'ity katedraly ity ny soratra hoe : "Notre-Dame de Sous-Terre", midika hatrany ny fanajany ny Renin'Andriamanitra izany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 mey 2024

♦ Nodimandry teo amin'ny faha-95 taonany i P. Giovanni Follese, antsoina ihany koa hoe Mompera Joany, avy amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco... ♦ Manasa antsika rehetra hivavaka ho an'ny fiofanan'ny relijiozy sy ny seminarista, ny Papa François, ao anatin'ny tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana mey ity... ♦ Tanjona ho an'ny Antilin'i Madagasikara ny hanana fanabeazana tsaratsara kokoa, izany no antony nanatontosan'izy ireo ny fiofanana tao anatin'ny valo andro, izay nanomboka ny 27 aprily hatramin'ny 5 mey 2024, ho an'ny Diôsezin'i Mahajanga...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...