14 aprily — I Maxime dia martiry romana niaraka tamin'i Tiburce sy i Valérien. Préfét romana tamin'ny andro nanjakan'i Marc Aurèle izy. Raha izy nirahana hanapa-doha an'i Tiburce sy i Valérien, dia teo no nahatsapany ilay antson'Andriamanitra ka nibebaka izy.

Tamin'izany fotoana izany dia nenjehina fatratra ny kristianina, ka nosamborina ihany koa i Maxime ka notapahan-doha niaraka tamin'i Valérien sy i Tiburce ny 14 aprily 117. Milevina ao Prétextat, via Appia ao Roma izy telo mirahalahy ireto ary najaina tao Roma nanomboka tamin'ny taonjato fahadimy.

[Miara-dàlana] Zoma 27 novambra 2026

• Nankalazaina omaly ny faha-23 taonan'ny Radio Fanasina ao amin'ny Diosezin'i Morondava… • Nanentana ny mpino hampanjaka ny fiadanana sy fandriampahalemana ny Ray masina, nandritra ny Audience générale ny 25 novambra 2026… • Any Burkina Faso, mirotsaka amin'ny fiarovana ny fahamendrehan'ny vehivavy ny Eglizy…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...