17 aprily — Ny Anicet resahana etoana dia ilay papa faha-11. Malaza ao Quebec any Canada ity olomasina ity. Papa tamin'ny taona 155 ka hatramin'ny taona 166 i Masindahy Anicet. Syrien no fiaviany fa maty martiry tamin'ny fitondran'ny amperora Marc Aurèle izy.

I Masindahy Anicet dia tsy nikely aina tamin'ny fanoherana ny fampianaran-diso, ilay hoe "gnose", naely teo amin'ny Fiangonana tamin'izay fotoana izany. Izy ihany koa dia nalaza tamin'ny famahana ireo olana momba ny fanamasinana eveka tamin'ny androny. Nanamarika ity papa ity ny tsy fitoviany hevitra tamin'i Masindahy Polycarpe, evekan'i Smyrne, izay niezaka handresy lahatra azy mba hampitovy ny fankalazana amin'ireo tatsinanana ny andron'ny Paka. Na dia teo aza izany disadisa izany dia nataon'i Anicet laharam-pahamehana hatrany ny fitandroana ny fihavanana, ny fampanjariana ny fiadanana ary ny fiombonan'ny Fiangonana. Marihana fa ny papa Victor, izay nadimby an'i Anicet no namaha io olana tamin'ny daty fankalazana ny Paka, izay nambara teo fa tsy nampitovy hevitra an'i Anicet tamin'i Polycarpe. Voalaza fa napetraka ao amin'ny fasan'i Masindahy Calixte ao amin'ny voie Appienne ny taolam-balon'i Anicet.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 mey 2024

♦ Nodimandry teo amin'ny faha-95 taonany i P. Giovanni Follese, antsoina ihany koa hoe Mompera Joany, avy amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco... ♦ Manasa antsika rehetra hivavaka ho an'ny fiofanan'ny relijiozy sy ny seminarista, ny Papa François, ao anatin'ny tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana mey ity... ♦ Tanjona ho an'ny Antilin'i Madagasikara ny hanana fanabeazana tsaratsara kokoa, izany no antony nanatontosan'izy ireo ny fiofanana tao anatin'ny valo andro, izay nanomboka ny 27 aprily hatramin'ny 5 mey 2024, ho an'ny Diôsezin'i Mahajanga...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...