17 aprily — Ny Anicet resahana etoana dia ilay papa faha-11. Malaza ao Quebec any Canada ity olomasina ity. Papa tamin'ny taona 155 ka hatramin'ny taona 166 i Masindahy Anicet. Syrien no fiaviany fa maty martiry tamin'ny fitondran'ny amperora Marc Aurèle izy.

I Masindahy Anicet dia tsy nikely aina tamin'ny fanoherana ny fampianaran-diso, ilay hoe "gnose", naely teo amin'ny Fiangonana tamin'izay fotoana izany. Izy ihany koa dia nalaza tamin'ny famahana ireo olana momba ny fanamasinana eveka tamin'ny androny. Nanamarika ity papa ity ny tsy fitoviany hevitra tamin'i Masindahy Polycarpe, evekan'i Smyrne, izay niezaka handresy lahatra azy mba hampitovy ny fankalazana amin'ireo tatsinanana ny andron'ny Paka. Na dia teo aza izany disadisa izany dia nataon'i Anicet laharam-pahamehana hatrany ny fitandroana ny fihavanana, ny fampanjariana ny fiadanana ary ny fiombonan'ny Fiangonana. Marihana fa ny papa Victor, izay nadimby an'i Anicet no namaha io olana tamin'ny daty fankalazana ny Paka, izay nambara teo fa tsy nampitovy hevitra an'i Anicet tamin'i Polycarpe. Voalaza fa napetraka ao amin'ny fasan'i Masindahy Calixte ao amin'ny voie Appienne ny taolam-balon'i Anicet.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 5 ôktôbra 2026

• Notanterahina omaly teo amin'ny kianja Lycée Technique Marie Auxiliatrice Ivato, ny famaranana ny fankalazana ny faha-40 taona nahatongavan'ny Masera Filles de Marie Auxiliatrice teto Madagasikara... • Fankalazana maro sosona no notanterahina tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana omaly... • Tanim-boaloboka tsy maintsy kolokoloina amim-pahamarinana ny Eglizy, hoy ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...