24 mey — Misy ireo tetiandro sasantsasany ahitana ny ny hoe Sainte Marie Auxiliatrice, na ihany koa amin'ny teny malagasy hoe Masina Maria Vonjin'ny kristianina. Amin'ny ankapobeny dia ny fikambanana Salezianina naorin'i Don Bosco no tena miantso an'i Masina Maria amin'io anarana io.

Misy mihitsy ary fiangonana naorin'i Don Bosco, bazilika iray lehibe nampitondrainy nampitondrainy ny anaran'i Maria Vonjin'ny Kristianina ho mari-pankasitrahana izany Renin'Andriamanitra izany. Ilay Virjiny, Fiangonana Reny, fanovozana aim-panahy ho an'ny asa sahanin'ny Salezianina.

Raha tsiahivina kely ny tantara dia fotoana telo lehibe misongadina teo amin'ny tantaran'ny Fiangonana no niantsoana ilay Virjiny Masina tamin'io anarana hoe Masina Maria Vonjin'ny kristianina io. Ny voalohany amin'izany dia ny taona 1571 tamin'ny ady nantsooina hoe Bataille de Lépante, nangataka ny fiarovan'i Masina Maria Vonjin'ny kristianina ny papa Pie V ka nahazo fandresena ny tafika notaritin'i Philippe II tao Espagne sy ny tafika avy ao Venise, raha nifanandrina tamin'ireo Ottomans notarihin'i Ali. Toa izany koa tamin'ny taona 1683, ny nahazoan'i Jean Sobieski ny fandresena raha niady tamin'ny Turcs izay nitoetra tao Vienne. Nandritra izany ady izany dia nangata-bavaka tamin'i Masina Maria Vonjin'ny kristianina ny tao Allemagne indrindra fa ny tao München. Ny 24 mey 1814 dia tafaverina soa aman-tsara tao Vatican ihany koa ny papa Pie VII izay nalefa sesitany tany Gaète, ary izy no nametraka ho an'ny Fiangonana maneran-tany ny datin'ny 24 mey ho andro hankalazana sy hatsiarovana an'i Masina Maria Vonjin'ny kristianina.

Ny fahitana ilay sary mahagaga an'i Masina Maria Vonjin'ny kristianina tao Spolète no nanentana an'i Don Bosco hampiasa io voambolana io, ary maro ireo fikambanana miantso an'i Maria amin'izany anarana izany.

[Miara-dàlana] Zoma 21 aogositra 2026

• Notendren'ny Papa Léon XIV ho Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina i Mompera Mariusz Kasperski, Curé an'ny Fiangonana Masindahy Eugène de Mazenod ao Toamasina... • Diakra 11 no hamasinina ho pretra eto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny sabotsy 22 aogositra 2026... • Hotanterahina ny 26 hatramin'ny 29 aogositra 2026 ny “Camp vocationnel” ho an'ireo tovolahy, karakarain'ny pretra Carmes de Marie Immaculée...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...