02 jona — Tovovavy nobaboina i Masimbavy Blandine, maty martiry tao Lyon tamin’ny fotoana nanjakan’ny amperora Marc Aurèle tamin’ny taona 177. Nahery fo tokoa ity tovovavy ity tamin’ny fotoana nampijaliana azy. Maro ireo namany no tsy nahatanty ny fampijaliana ka niverin-dalana ary nihemotra tamin’ny finoana fa izy kosa dia sahy nijoro hatramin’ny farany.

Na ireo mpampijaly azy aza dia nihaiky fa tsy mbola nahita vehivavy mahery fo toa azy tamin’ireo olona nampijaliana. Ary nandritra ny fampijaliana azy dia naverin’i Blandine foana ny hoe "kristianina aho". Nahantona tamin’ny tanany àry Blandine, nomena ireo biby masiaka izy, nefa tsy sahy naninona azy ilay biby. Natao tao anaty arato izy ary nomena ho lalaovin’ny omby dia fa natsipin’io biby io tamin’ny tandrony izy. Farany notapahin’ireo mpampijaly azy ny tendany. Marihina moa fa i Mb Blandine dia anisan’ireo niara-dia tamin’i Md Pothin.

Masindahy Pothin

I Masindahy Pothin dia ilay evaka voalohany tao Lyon avy any Azia izy ary nianatra tao amin’ny sekolin’i Polycarpe eveka tao Smyrne ary io no naniraka azy ho any Gaule mba hitory ny Vaovao Mahafaly. Mpiray dia moa i Masindahy Pothin sy i Masimbavy Blandine tamin’izany fotoana izany. Rehefa nahazo kristianina maro i Pothin dia nenjehan’i Marc Aurèle ary ary nosamboriny, 90 taona izy tamin’izany, efa narefo sy nalemy nefa ny hafanam-pony sy faniriany ho martiry no nankahery tamin’ny fampijaliana natao taminy.

Nentina teo anatrehan’ny fitsarana izy teo anolohan’ireo mpanompo sampy marobe. Nohadikadinin'ny governora ny momba an’Andriamanitry ny kristianina izy fa novaliany hoe : "ho fantatrao izy rehefa mendrika izany ianao". Tezitra àry ireo olona nanatrika ka ireo olona akaiky dia nidaroka sy nandaka an’i Pothin ary tsy nisy fanajana azy kely akory na dia ny hoe maha olon-dehibe azy fotsiny ihany aza. Natsipy tany anaty trano maizina i Pothin ary roa andro tao arian’io dia namoy ny ainy.

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...