10 jona — I Landry resahana eto dia ilay eveka tao Paris. Talohan’ny nifidianana azy ho evaka dia voalaza fa hoe mpiasam-panjakana tao amin’ny lapan’i Clovis II tany amin’ny taona 640 i Landry. Izany hoe tany amin’ny taonjato fahafito tany.

Anisan’ny nampiavaka an’i Masindahy Landry ny hoe namarotany ny fananany mba hamonjeny ireo mahantra nitofezaky ny hanoanana, ary voatahiry ao amin’ny tranom-bako-pirenena ao France ny fifanarahana tamin’ny fanomezana nataony ho an’ny mpitoka-monina tao Cluny. Ny taona 650 mantsy no eveka tao Paris i Landry, tsy nitsahatra nanampy ireo mahantra sy farahidiny izy. Nandritra ny mosary ny taona 651 dia namidiny avokoa ireo fanaka masina sy ny fananany rehetra mba hamahanana ny vahoakany. Rehefa mahazo vola izy dia ividianany mofo izany ary omeny ny mahatra izay mitofezaky ny hanohanana.

Izy ihany koa no nanorina ny Hôtel-Dieu, ary nitondra ireo bénédictins nankany Saint-Denis. Nambara fa io Hôtel-Dieu io dia trano naoriny ho fikarakarana ireo olona narary tratra ny valan’aretina niely tamin’izany fotoana izany. Nangonony tao amin’io toerana io ny marary rehetra mba tsy hianaka ny aretina ka hifindra amin’ny hafa. Ary teo akaiky ny katedraly Notre-Dame de Paris no nananganany izany toerana izany ka lasa Hôtel-Dieu taty aoriana.

Nodimandry ny taona 665 i Landry nalevina tao amin’i Saint-Germain l’Auxerrois izay toerana fanaovan’ny olona fivahinianana masina. Ary lasa trano fitokana-monina lazaina hoe Saint-Germain-des-Prés izy taty aoriana. Ny fiangonana ao Louisianne ihany koa dia nampitondra ny anarany an’i Masindahy Landry mba ho fanajana sy fahatsiarovana azy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 19 ôktôbra 2026

• Tontosa ny alakamisy 15 ôktôbra 2026 tany amin'ny Diosezin'Ambositra, ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny Taom-pianarana 2026-2027 eo anivon'ny Sekoly Katolika manerana an'i Madagasikara... • Hotontosaina ny 8 nôvambra 2026 ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Mariusz Kasperski, Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... • Nisaotra ireo mpino nivavaka ho azy tamin'ny fandidiana azy ny Ray masina, nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...