02 jolay — I Martinien sy i Procès dia martiry romanina tamin’ny taonjato voalohany. Nalevina tao amin’ny fasana Damase tao amin’ny via Aurelia izy ireo. Araka ny lovan-tsofina dia izy ireo no mpiandry fonja nampijaly an'i Pierre sy i Paul tao am-ponja tao Tullianum.

[audio src="/images/sounds/saint-20200702.mp3" background="#0099ffff"]

Rehefa nibebaka sy nanenina mafy izy ireo, dia i Pierre ihany moa no nanao batemy azy ireo. Tamin’ny taonjato fahasivy dia nafindran’ny papa Pascal I tao amin’ny bazilikan’i Masindahy Pierre ao Vatican ny reliques an’izy ireo ary mbola ao hatramin’izao. Ny fahatsiarovana azy dia efa hatramin’ny taonjato fahenina no nankalazaina tao Roma.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 10 aogositra 2026

• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...