29 aogositra — I Masindahy Joany Batista ilay resahana eto dia ilay mpialoha lalana sy nanao batemy an’i Jesoa. Raha iverenantsika kely ny fiainan’ity olomasina ity satria efa nisy fotana niresahantsika azy tamin’ny volana jona dia zanak’i Zacharie sy Elizabeth izy.

Nentanin’ny fanahin’Andrimanitra izy ka nitokana tany an-tany efitra, mba hitahirizany sy hikolokoloany ny fanomezam-pahasovana noraisiny. Niaina tany izy hatramin’ny faha telopolo taonany. Nanao asa fivalozana, nivavaka sy nibanjina i Joany. Rehefa feno telopolo taona izy dia niseho tamin’ny vahoaka ka nitory ny fibebahana sy nanao batemy, ary izay no nahatonga ny anarany hoe Batista, na hoe mpanao batemy.

Tamin’ny fotoana niainan’i Joany Batista dia nokianiny ny toetra tsy mendrika nataon’i Hérode Antipas, governora tao Galilea izay nampirafy tamin’ny vadin’ny rahalahiny iray tampo aminy. Herodiada no anaran’io vehivavy io. Tsy faly noho io fanakianan’i Joany Batista io i Herodiada ka nitady fomba anaovana valy faty. Naiditra am-ponja ity mpiaro ny toe-panahy tsara ity. Tsy nahafa-po an’i Herodiada anefa izany. Indray andro nisy fety tao an-dapa, nandihy teo i Salomé zanak’i Herodiada. Tena nahay nandihy tokoa io zaza vavy io. Noho ny fizahozahoana nisy tamin’i Hérode dia nampanantena an’i Salomé izy fa omeny azy izay tiany, naheno izany i Salomé ka lasa nanatona an-dreniny nanao hoe : “Inona no tokony hangatahiko ?” ; dia hoy i Herodiada hoe: “Ny lohan’i Joany Batista”. Nanenina sy nalahelo ihany Hérode, noho ny teny nataony, naheno izany fangatahana izany. Nefa noho izy te hiseho teo anatrehan’ny vahoaka fa olona mitana ny teny nampanantenaina dia naniraka mpiambina izy hanapaka ny lohan’i Joany Batista, ary nitondra izany tamin’ny lovia vola fotsy. Rehefa henon’i Jesoa io vaovao io dia nalahelo fatratra izy. Tsy maintsy saziana anefa ny olona manenjika an’Andriamanitra, ka i Hérode rehefa niatrika ny ady dia resin’ireo fahavalo ka very ny fanjakany. Toy izany ihany koa i Herodiada sy Salomé izay ratsy fiafarana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 mey 2024

♦ Nodimandry teo amin'ny faha-95 taonany i P. Giovanni Follese, antsoina ihany koa hoe Mompera Joany, avy amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco... ♦ Manasa antsika rehetra hivavaka ho an'ny fiofanan'ny relijiozy sy ny seminarista, ny Papa François, ao anatin'ny tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana mey ity... ♦ Tanjona ho an'ny Antilin'i Madagasikara ny hanana fanabeazana tsaratsara kokoa, izany no antony nanatontosan'izy ireo ny fiofanana tao anatin'ny valo andro, izay nanomboka ny 27 aprily hatramin'ny 5 mey 2024, ho an'ny Diôsezin'i Mahajanga...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...