31 aogositra — Filôzôfa grika tamin’ny taonjato faharoa i Aristide, mpanompy sampy izy io ary nonina tao Athènes. Nibebaka nanara-dia an’i Kristy izy araka ny fitantaran’i Eusèbe. Nanoratra apologie tany amin’ny amperora Hadrien i Aristide ka navoitrany tao ny vaovao entin’ny fivavahana amin’ny Kristy, dia ny hafatry ny fanantenana sy ny fitiavana.

Misongadina ao amin’io asa soratra io ny fomba fiteny tsotra, sy faly izay maneho ny nahasambatra azy noho izy manana ny finoana. Marihina fa voadiaka amin’ny fiteny spiaque, aramenianina, sy grika io apologie an’i Masindahy Aristide io. Izy dia martiry ary ny asa sorany dia manampy ireo mpanompo sampy hahazo ireo kristianina sy hiamalefaka kokoa eo anatrehan’izy ireo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 21 jolay 2025

• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...