01 septambra — Teraka tamin’ny faraparan’ny taonjato fahafito tao Athènes ka nankany Provence mba hanokatra trano fitokana-monina i Gilles izay nanandray ny anarana hoe Gilles du Gard, ary nodimandry tao izy ny toana 710. Ny lalana nandevenana azy dia lalana mankany amin’ny Saint-Jacques-de-Compostelle.

Indray andro raha andeha hihaza i Wamba mpanjakan’ny Visigoth dia nanondidina dia nihaodihaody ny trano fitokana-monin’i Gilles nanaraka an’ilay serfa vavy, niafina tao amin’ny lava-baton’i Gilles io biby io ary nivavaka i Gilles mba tsy hisy ho tafiditra ao ny mpanara-dia ny mpanjaka. Ny mpanajaka ihany no afaka niditra tao niaraka tamin’ny evekan’i Nîmes, vantan’ny vao nahita an’i Gilles izy ireo dia nisy nitoraka tsipika i Gilles ka naratra. Nolavin’i Gilles ny fanampiana rehetra fa tao aoriana dia nekeny ihany ny ho mpitantana trano fitokana-monina iray naorin’ny mpanjaka.

Mpiaro ny boka sy ny mandringa i Gilles satria araka ny tantara dia lasa kilemaina izy tao aorian’ny nanavotany ilay serfa vavy, ary mpiaro ny mpitaiza ihany koa izy noho izy nitondra famonjena ho an’io serfa io. Antsoina ihany koa i Masindahy Gilles raha matahotra, satria niaro ilay serfa raiki-tahotra izy. Iray amin’ireo olomasina efatra ambin’ny folo antsoina hoe olomasina mpanampy i Gilles. Ireo moa ilay antsoina amin’ny teny frantsay hoe “saints intercesseurs”.

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...