07 septambra — Teraka tao Autun tao France i Reine. Teo amin’ny fahenina ambin’ny folo taonany izy no no nibebaka ho kristianina izany hoe tamin’ny taona 252. Niandry ondry teo amin’ny tendrombohitr’i Auxois izy no saika ho viravirain’ny governora romanina tao Gaule, Olibrius na Olimbrius, nefa nanohitra i Reine ary nandà ny fanambadiana mba tsy hanimbazimban’io ny finoany.

Novonoina ho martiry izy, notapahana ny lohany. Taonjato iray tao aorian’izay dia nivoatra ny fanajana azy ka taty aoriana dia lasa fototry ny resaka teo an-tanana ny naha martiry an’io olomasina io.

Ny fombam-pivavahana fanajana an’i Masimbavy Reine dia nihamafy hatramin’ny nahitana ilay fitaovana fankalazana ny eokaristia tamin’ny taona 1909 tao Alésia izay nahitana lovia iray sy kalisy telo izay noheverina fa nampiasaina tamin’ny Sorona Masina. Ilay lovia dia nahitana sary trondro voasokitra ICHTUS toy ny ao Autun sy ny anarana hoe Regina izay hoe Reine no heviny. Ireo dia nitondra ny datin’ny taonjato fahefatra, izay tsy mampisalasala ny fisian’ilay martiry. Ny mponina ao an tanan’i Alise-Sainte-Reine izay niitatra hatrany ampototry ny tendrombohitr’i Auxois dia nifidy azy ho mpiaro ny tanana. Ary isan-taona ny mponina ao dia mikarakara fankalazana ho fahatsiarovana sy ho fanajana an’i Masimbavy Reine. Io fomba io dia efa hatramin’ny 866 ary mbola tsy lefy. Io no fankalazana tsy miato hatramin’izay tao France. Ny reliquues an’i Masimbavy Reine dia tehirizina ao amin’ny trano fitokana-monina ao Flavigny-sur- Ozerain hatramin’ny ivon’ny taonjato fahasivy.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...