09 nôvambra — Miaramila romanina i Théodore ary anisan'ireo martiry fanta-daza any amin'ny Fiangonana Tatsinanana izy. Teraka tao Syrie tamin'ny faraparan'ny taonjato fahatelo izy. Tandremana tsy hifangaro amin'ilay Masindahy Théodore tsaroana ny 07 febroary ity resahana etoana ity, satria samy miaramila, ary samy martiry izy ireo.

Ity Théodore tsaroana androany ity dia miaramila tao amin'ny légion romaine, nitoby tao amin'ny tananan'i Amasia, izay tena mbola nampiharana ny famonoana tamin'ny lalana fanenjehana. Mbola tanora i Théodore, ary tena be fitiavana an'i Jesoa Kristy izy. Tsy nanaiky hanafina ny finoany na dia teo aza ny fanenjehana, ary vao mainka aza izy niseho ho mpampianatra ampahibemaso mihitsy. Nisy fotoana, niseho tamin'ilay mpandaha-tenin'ny antoko tafika, na tribun, izy tamin'izany fotoana izany. Tamin'izany no nisehoany fa kristianina. Nanontany azy io hoe : "Ahoana no ahasahianao mitory sy mampianatra fivavahana izay helohin'ny lalana amin'ny sazy mandram-pahafaty ?" Hoy izy namaly : "Tsy fantatro izay sampinareo, tiako i Kristy, Zanaka Lahitokan'Andriamanitra. Azoko omena anareo ny vatako ho rotehinareo, ho potehinareo, ho doranareo. Raha mandratra anareo ny teniko dia tapaho ny lelako. Fa raha ilain'Andriamanitra dia vonona aho, hanao sorona ny rantsam-batako". Te handrahona azy noho ny hatanorany fotsiny ity mpandaha-teny sy ireo mpitsara tamin'izany satria mbola tanora i Théodore. Fa nandritra ny fanazavan'i Théodore dia tohina ny fon'izy ireo ka nalefany malalaka i Théodore.

Ny nofinofin'i Théodore anefa dia ny hahazo fanahy maro ho an'i Jesoa Kristy. Dia nankahery an'ireo mpampiana-pinoana sy nampirisika azy ireo ho faty martiry ho an'i Kristy izy. Vitany hatramin'ny nandoro ny tempolin'i Cybèle, andriamani-bavy. Nasaina nifona sy nanenina tamin'izany heloka vitany izany i Théodore, nefa nihomehezany fotsiny izany. Nokapohina mafy dia mafy izy ary nohidina tany anaty lakavy, tsy nomena hanina mba hofatin'ny hanoanana. Ny alina anefa, tonga namangy azy ny Mpamonjy, ary nampanantena azy fa hamahana azy amin'ny sakafo tsy hita maso ary hankahery azy amin'ny ady farany. Nahafaly an'i Théodore izany famangiana izany ka nahatonga azy hihira ny fiderana an'Andriamanitra, ary nisy anjely niakanjo fotsy nampiara-peo taminy. Vavolombelon'inzay fahagagana izany ireo mpampijaly sy ny mpitsara, fa tsy nampibebaka azy ireo anefa ny fahitana izany. Nampanantenaina izy fa raha miseho fotsiny ho manaiky dia hafahana. Tamim-pahamatorana tsy azo toherina anefa no namalian'i Théodore azy ireo ny fandavany ka norotehin'izy ireo tamin'ny vy ny vatany, ary nodoran'izy ireo tamin'ny afo mivaivay ny tratrany talohan'ny nadorana velona azy. Rehefa napetraka teo amin'ny toerana handorana azy izy dia nanao ny famantaran'ny hazofijaliana ary dia nampakatra ny fanahy ho any an-danitra.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...