I Masimbavy Geneviève no ankalazaina ny 03 janoary. Teraka ny taona 423 tao Nanterre i Masimbavy Geneviève. Mbola zaza izy dia efa nanolo-tena tamin'Andriamanitra.

Tsikaritr'i Masindahy Germain d'Auxerre sy Masindahy Loup de Troyes izany fahamasinan-toetrany izany tamin'ny fandalovan'izy ireo tao Nanterre tamin'ny taona 429 raha izy ireo ho any Bretagne. Vao 16 taona monja i Geneviève no nifidy ny hanolo-tena ho an'Andriamanitra sy ny niaina ny famolahan-tena.

Teo amin'ny faha-28 taonany i Geneviève no nandresy lahatra ireo mponina tao Paris mba tsy handao ny tànana notamihan'ireo mpandromba nantsoina hoe Huns. Nankahery ireo mpiara-monina taminy izy ka hoy izy: "Aleo handositra izay lehilahy hanao izany raha tsy afaka miady izy, fa isika vehivavy hangataka amin'Andriamanitra fa hihaino ny talahontsika Izy". Tamin'izay dia tsy voaroba i Paris.

Nisy mosary ny taona 465, niaina tao anaty hanoanana ny mponina ka i Geneviève no nitady sakafo ho azy ireo. Novakiany ireo sakana manamorona an'i Seine ka hatrany Troyes mba ahafahany mitady hanina ho an'ny mponina.

I Geneviève ihany koa no nanorina fiangonana teo amin'ny fasan'i Masindahy Denis, eveka voalohany Lutèce (anaran'i Paris fony faha romanina). Izy ihany koa no nandresy lahatra an'i Clovis hanorina fiangonana mitondra ny anaran'i Masindahy Pierre sy Paul teo amin'ny tendrombohitra nantsoina hoe Mons Lucotitius antsoina hoe tendrombohitr'i Masimbavy Geneviève ankehitriny, ao Paris Ve moa no ahitana izany.

Nodimandry ny 03 janoary 512 tao Paris i Geneviève teo amin'ny faha-89 taonany ary nalevina tao amin'io fiangonana io ihany teo akaikin'i Clovis. Nankinina tamin'ny Bénédictins io fiangonana io ary taty aoriana dia ny Chanoines Séculiers no nitantana azy.

I Masimbavy Geneviève no mpiaro ny tànanan'i Paris sy ny diôsezin'i Nanterre. Marihana ankehitriny dia hajaina any amin'ny fiangonana Saint-Etienne-du-Mont ny vata misy an'i Geneviève raha avy ao amin'ny fiangonana Masindahy Pierre sy Paul tamin'ny voalohany dia nalefa tany Draveil nandritra ny fanafihan'ny Normands. Nijanona tao io hatramin'ny tanona 853. Rehefa nikasa hanafika an'i Paris indray ny Normands dia nafindra tany amin'ny toerana tsy misy ady io vata misy an'i Geneviève io. Ny 08 novambra 793 dia nentina tany Monnet io vata io ka nodoran'ny "Conseil Général de Paris" rehefa avy noviravirain'ny vahoaka. Araka ny tantara anefa, alohan'io fotoana io dia efa nisy vata iray nitehirizana ny ila sandriny izay nalefa tany amin'ny fiangonana Saint-Etienne-du-Mont ka izay no mahatonga azy mbola hajaina ao amin'ny fiangonana io hatramin'izao.

Ny ho Geneviève dia avy amin'ny fiteny gérmanique hoe "geno": tsara firazanana sy hoe "wifa": vehivavy; izany hoe "vehivavy tsara firazanana". Olona matanjaka amin'ny asa ary mahavita be ireo Geneviève. Mandanjalanja izy ireo ka miezaka mamantatra izay hatao aloha vao manatanteraka. Mikatsaka hatrany marina sy ny maharitra izy ireo ary mandray andraikitra.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...