25 desambra — Ankalazaina amin'ity andro ity ny nahaterahan'i Jesoa, Ilay Zanak'Andriamanitra, Mpamonjy izao tontolo izao. Ny Evanjelin'ny Masindahy Matio sy Lioka no mitantara io fahaterahan'ny Tompo io. Araka ny voalazan'ny Soratra Masina dia i Maria, zanak'i Anne sy i Joachim avy ao Nazareth sy Galilée no renin'i Jesoa. Ary i Joseph, taranak'i Davida no nitaiza azy. Fofombadin'i Maria i Joseph.

Natoky an'Andriamanitra sy nanaiky ny fandaharany i Masina Maria. Ankalazaina amin'ity andro ity ny fanombohan'ny fahatontosan'ny fampanantenan'Andriamanitra, izany hoe, sivy volana tao aorian'ny filazana nataon'ny anjely tamin'i Maria Virjiny, fa hiteraka zazalahy izy, ary i Jesoa no ho anarany.

Tonga olombelona ny Zanak'Andriamanitra, io ilay antsointsika hoe Misterin'ny fahatongavana ho nofo. Niray fomba amintsika olombelona Izy, tena Andriamanitra Izy ary tena olombelona ihany koa. Ny hoe Jesoa amin'ny teny hebrio dia midika hoe "Andriamanitra mamonjy", ka io anarana io dia efa maneho amintsika sahady ny iraka nampanaovin'Andriamanitra ny Zanany, dia ny hamonjy ny olomelona sy hitondra azy eo amin'ny Ray. Araka ny Evanjely dia tamim-panetren-tena tokoa no nahaterahan'ny Zanak'Andriamanitra. Mahantra noho ny mahatra izy, teo amin'ny fihinanam-bilona no naterak'i Maria, ary io fahaterahana io no ivon'ny fahatongavana ho nofo.

Raha zohina ny tantaran'ny Fiangonana dia nanomboka tamin'ny taona 270, tamin'ny andron'i Aurélien no nankalazana ny fahaterahan'ny Mpamonjy, ny andron'ny 25 desambra. Taloha ity andro ity dia fety nankalazain'ireo mpanompo sampy, nantsoina hoe "Sol Invictus", ka io no nosoloin'ny kristianina ity fety fankalazana an'i Jesoa Mpamonjy, hanala izao tontolo izao amin'ny fahotana ity. Niely tsikelikely nanerana ny Fiangonana Tandrefana latina io fankalazana io. Ny taona 223, tao amin'ny tananan'i Greccio, tao Assise, Italie i François d'Assise no nanan-kevitra hankalaza ny Noely amin'ny fanaovana sary velona, ka olona sy biby mihitsy no nilalao ny tantara tamin'izany. Nanomboka niely manerana an'i Italie ny fanaovana ny tranon'omby. Ao ireo misy manao tranon'omby ka olona velona mihitsy no mipetraka ao aminy, ao kosa ireo maneho izany amin'ny alalan'ny sary sokitra sy sary hosodoko isan-karazany. Niitatra teo amin'ny tontolo kristianina izany fanehoana ny fahaterahan'ny Mpamonjy sy ny fahatsiarovana ny lava-baton'i Betlehema, ka ao anatin'izany tranon'omby izany dia ahitana an'i Maria sy i Joseph, i Jesoa zazakely eo amin'ny fihinanam-bilona, ny mpiandry ondry, ny apondra sy ondry ary omby.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...