27 desambra — Zanak'i Zébédée i Jean araka ny filazan'i Masindahy Matio sy i Marka ary i Lioka, ao amin'ny Evanjely. Mpanarato tao amin'ny farihin'i Tibériade izy, ary mpianatr'i Jean-Baptiste taloha, avy eo nanara-dia an'i Jesoa, Ilay Mpamianatra tiany.

Ao amin'ny Evanjely synoptiques, sy ao amin'ny Asan'ny Apôstôly dia voatonona ao anatin'ny laharana efatra voalohany hatrany izy, rehefa mitanisa ny anaran'ny Apôstôly roa ambin'ny folo. Ao amin'ny Evanjely mitondra ny anarany kosa dia antsoina hoe "ilay mpianatra hafa" na hoe "ilay mpianatra malalan'i Jesoa", i Jean.

Heverina fa anisan'ireo mpianatra tian'i Jesoa tokoa i Jean, ka matetika izy no manatrika eo amin'ny fotoan-dehibe teo amin'ny fiainan'i Jesoa. Ohatra amin'izany tamin'ilay jono mahagaga, satria mpanarato ny asany ; teo ihany koa ny fampitomboana ny mofo sy ny hazan-drano ; teo ihany koa izy tamin'ny fiovan'ny Tompo tarehy tao an-tendrombihitr'i Thabor, ary tamin'izay niaraka tamin'i Pierre sy i Jacob. Ny fiadian'i Jesoa aina tao amin'ny zaridainan'i Gethsémani dia natrehan'i Jean ihany koa, ary teo ihany koa izy tamin'i Jesoa nanangana ny zanaka vavin'i Jaïre ho velona sy ny fansitranana ny rafozam-bavin'i Pierre.

Nanana anjara toerana manokana i Jean teo amin'ny harivan'ny sakafo farany sy teo amin'ny fijalian'ny Tompo. Izy no niangavian'i Pierre hanontany an'i Jesoa izay hamadika azy, araka ny voalaza ao amin'ny Evanjelin'i Masindahy Joany 13, 23-25 hoe : "Dia naraikany tamin'ny tratran'i Jesoa ny lohany, ka hoy izy taminy : Iza moa izany, Tompoko ?" Izy ihany koa no mpianatra tsy mba nandao tamin'ny fotoana namantsihana an'i Jesoa, niandry hatramin'ny farany, teo am-pototry ny hazofijaliana. Tao aorian'ny niakaran'i Jesoa tany an-danitra dia voalaza fa nipetraka tany Ephèse i Jean, ary nanampy an'i Pierre tamin'ny fitondrana sy ny fandrindrana ny Fiangonana izy. Nalefa sesitany tany Patmos izy avy eo, ary tany no nanoratany ny Boky Fanambarana na ny Apôkalipsa. Efa antitra be izy vao nodimandry tao Ephèse teo anelanelan'ny taona 98 sy ny taona 117, tamin'ny fotoana nanjakan'ny amperora Trajan. Ankoatra ny Evanjely fahefatra sy ny boky Fanambarana dia nanoratra taratasy canoniques telo ihany koa i Jean. Marihana fa izy no mpiaro ny mpanoratra, ny teôlôjianina, ny mpanakanto, ny mpivaro-boky sy ny mpandaha-doha vy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...