30 desambra — Teraka tao Cannes tokony ho tamin'ny taona 1060 i Masindahy Roger. Niaina tao anatin'ny faharavana vokatry ny ady tamin'ny fanoherana izay nataon'ireo barons normands tsy nanaiky ny fahefan'i Robert Guiscard izy.

Noravan'i Guiscard tanteraka ny tanana tao Cannes mba hamaizana ny fihokoana nataon'i Herman, comte tao amin'io tanana io. Eveka tao amin'ity tanana ity i Roger, ary tena nanao izay fara heriny izy, nanampy ireo vahoaka nijaly tao an-tanana. Izy no mandeha an-tongotra, tsy mikapa, tsy mikiraro, mitady izay hohanin'ireo vahoaka ireo. Misy tahirin-kevitra milaza fa mateika ny papa Gélase II sy Pascal II no midinika amin'i Roger mba handaminana ny ady teo amin'ny Fiangonana sy ny fiaraha-monina. Nodimandry ny 30 desambra 1129 i Roger ary nalevina tao amin'ny katedraly tao Cannes.

Vao maty kelikely i Roger dia nangalarin'ny mponina avy any Barletta ny reliques. Mpitranga tamin'izany fotoana izany moa ny fakana reliques. Nalain'izy ireo tao amin'ny katedraly ny vata nisy azy, ny seza fiandrianana maha eveka azy, ny tavy masina. Taona iray tao aorian'io dia nanome baiko ny papa mba hamerenana ireo zavatra nalain'ny mponina avy ao Barletta ireo, ka naverin'izy ireo izany, afa-tsy ny vata nisy ny vatan'i Roger, izay noheverin'ilay eveka nandimby azy fa tsy dia sarobidy loatra. Nohajain'ny mponina tao Barletta fatratra anefa io vata nisy ny taolan'i Roger io, ary izy ireo mihitsy no nilaza fa olomasina i Roger satria resy lahatra tamin'ny hatsaram-panahiny sy ny fahamasinany izy ireo, ka namoronan'izy ireo vavaka manokana mihitsy amin'ny Sorona Masina fahatsiarovana azy, manao hoe : "Andriamanitra ô ! Ianao nanaiky ny hahatongavan'ny olontsambatra Roger, teto Barletta, tanteraho aminay amin'ny alalan'ny vavaka ataony sy ny hatsaram-panahiny ny hiarovana anay amin'ny ratsy rehetra mandrakizay".

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...