I Masindahy Hilaire de Poitiers no tsaroana amin'izao 13 janoary izao. Teraka tao Aquitaine ny taona 310 i Masindahy Hilaire, mpanompo sampy ny fianakaviany ary taranak'andriana gallo-romain izy. Araka ireo tahirin-kevitra amin'ireo asa sorany, rehefa nitady ny marina izy ka nifanerasera tamin'ny Baiboly dia nibebaka ka nangataka hatao batemy ny taona 345.

Raim-pianakaviana izy no nofidina ho eveka tao Poitiers tamin'ny taona 353. Niezaka mafy tamin'ny fampianarana ny ondriny izy ka nahatonga azy nanoratra ilay boky famakafakana ny Evanjelin'i Masindahy Matio ary io no sangan'asany voalohany amin'ny fiteny latinina momba ny famakafakana ny Soratra Masina. Tsikaritra tamin'io asa sorany io ihany koa fa mbola tsy nahalala ny lovam-panahy tatsinanana i Hilaire. Ohatra amin'izany ny nilazany ny fahatongavan'ny Teny tonga nofo, hita fa mbola tsy nahalala ny voambolan'ny Kônsily tao Nicée izy tamin'ny nanoratany an'io. Navoitrany tamin'ny asa sorany taty aoriana fa ny 354 izy vao nahita an'izany.

Niady nanohitra an'i Arius i Hilaire. Ny arianisme dia mandà ny maha Andriamanitra an'i Jesoa Kristy. Noho io fanoherana nataon'i Hilaire io dia nalefan'ny Amperora Constance sesitany tany Phrygie izy taorian'ny sinaody tao Beziers. Tany Phrygie izy no nahafantatra ny hevitry ny teôlôjianina tatsinanana, ary tany no nanoratany ilay boky hoe "De Trinitate". Io boky io dia manaporofo fa ny Soratra Masina no milaza mazava ny maha Andriamanitra ny Zanaka, ny fitoviany amin'ny Ray ao amin'ny Evanjely toy ny ao amin'ny Testamenta Taloha ary izany rehetra izany dia maneho ny Misterin'i Kristy.

Rehefa maty ny Amperora Constance dia niverina tany Poitiers i Hilaire ny taona 361. Notohiziny ny andraikitra maha evaka azy sy ny asa soratra ka nahitana ny fampianarana momba ny mistery sy ny katesizy, ny famakafakana ny Salamo sy ny fandalinana ny Soratra Masina. Tsy nataony ambanin-javatra ihany koa ny fanoherana ireo Ariens indrindra fa i Auxence tao Milan.

Nodimandry tamin'ny taona 367 i Hilaire tao Poitiers ihany. Noho i Hilaire noheverina fa Aban'ny Fiangonana dia nasandratry ny Papa Pie IX ho eo amin'ny laharan'ny Mpampianatry ny Fiangonana ny taona 1851. Maro ireo toerana nampitondraina ny anarany. Marihana fa izy no mpiaro ny tànanan'i Parme ao Italie.

[Miara-dàlana] Zoma 19 aprily 2024

♦ Feno 19 taona katroka androany ny Radio Faniry Antsiranana... ♦ Fiantsoan'Andriamanitra, fahasoavana sy asa fanirahana: io no lohatenin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany Hivavahana ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra, amin'ity taona 2024 ity, avy amin'ny Papa François... ♦ Fahaiza mamehy tena sy fahaizana mamela ny tena tsy ho resin'ny filan-dratsy ny fahalalana onona, hoy ny Papa François, tamin'ny Audience Générale...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...