I Masimbavy Agnès de Rome no tsaroana rehefa 21 janoary. Teraka ny taona 290 tao Roma i Masimbavy Agnès. Teo amin'ny faha-12 taonany izy no nandà ny fangatahana azy ho vady nataon'ny zanaky ny Péfet tao Roma. Tamin'io fangatahana io mantsy dia nambaran'i Agnès fa efa manana fofombady izy, ary ambony kokoa noho ity zanaky ny Préfet ity.

Nandraiky narary ilay tovolahy. Rehefa fantatry ny rainy ny anton'aretina dia nantsoiny i Agnès, ka tamin'io no nanambaran'i Agnès fa kristianina izy ary efa nanoka-tena ho an'i Jesoa Kristy nanomboka teo amin'ny faha-10 taonany. Hoy izy hoe: "Efa ela aho no nanana fofombady avy any an-danitra, ary tsy hita maso. Azy manontolo ny foko, tsy mivadika aminy aho manadram-pahafatiko. Mba hitiavako azy dia madio aho. Hanatona azy tsy misy pentina aho ary mba hananako azy dia virjiny aho. Io vadiko io dia i Kristy izay tompoin'ny anjely. I Kristy, ilay mampamirapiratra ny kintana aman-bolana ny hatsarany. Izy, ary Izy irery ihany no hiarovako ny finoako."

Rehefa nandà ny fangatahana i Agnès dia naboridan'ny Préfet tanteraka ka nentina nitanjaka nitety tanàna ho any amin'ny toeran'ireo mpivaro-tena. Dia hoy i Agnès: "Tsy matahotra aho, ny vadiko, Jesoa Kristy, dia mahay miaro ny vatako sy ny fanahiko". Tampoka, naniry volo avokoa ny vatany iray manontolo, ary rehefa tonga teo amin'ilay toerana nitondrana azy dia nisy anjely niseho, nandrakotra azy hazavana mamiratra. Lasa toeram-pivavahana io toerana io. Tonga tao ilay tovolahy izay saika haka azy an-keriny, kanjo nisy demony nanakenda azy, ary maty io. Naverin'i Agnès anefa ny ainy, niova ilay tovolahy noho io fahasoavana io ary nilaza fa kristianina. Romotry ny hatezerana ilay Préfet rain'ity tovolahy ka nanome baiko ny handorana an'i Agnès ankalamanjana toy ny mpamosavy nefa tsy nahakasika an'i Agnès ny afo fa nifototra tamin'ireo mpampijaly. Farany, notapahan'izy ireo tamin'ny sabatra ny tendany. Nangovitra ity hamono azy, nefa nankaherezin'i Agnès hoe: "Kapohy, aza matahotra mba ahafahako haingana mankany amin'ilay olon-tiako. Poteho ny vatako izay tsiriritin'ny mason'ny mety maty." Nokapaina ny tendany, ary nodimandry i Agnès teo amin'ny faha-13 taonany.

I Masimbavy Agnès no mpiaro ireo mikajy ny fahadiovan'ny vatana, ireo lasibatry ny fanolanana, ny mpivady. Ny marika famantarana an'i Masimbavy Agnès amin'ny sary izay mety hanehoana azy dia misy ondry fotsy, eo ihany koa ny palme izay famantarana ireo martiry, fehiloha vita amin'ny ravin'oliva, ny sabatra ary ny afo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...