Tsy maintsy misy ny vavaka ho an'ny mpitondra fanjakàna ao anaty ny litorjia satria adidy no manery ny rehetra ny manaiky sy manome haja ny mpanam-pahefana, araka izay tokony hatao aminy, araka ny famendrehany, araka ny raharaha ataony. Manana adidy hitondra am-bavaka azy ny vahoaka mba hatontosany ny adidiny. Katesizy momba ny fitondram-panjakàna sy ny adidiny, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.