Ny fampianaran'ny apôstôly: mampatsiahy ny ezaka hihaino sy fampitana ny tenin'Andriamanitra izany, indrindra ny fampianaran'ny Apôstôly niainga tamin'ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly ; fototra iray maneho fa i Kristy no ifotorana satria Izy no fahamarinan'Andriamanitra.  Ny fizarana ny mofo no Eokaristia, ilay ahatsiarovana ny nahafatesan'i Kristy sy nitsanganany... Katesizy momba ny vavaka sy ny Trinite Masina, iarahana amin'i P. Germain Thierry Randriamiarantsoa.

[Miara-dàlana] Zoma 1 aogositra 2025

• Mila mpitondra hafatra ho an'ny fanantenana izao tontolo izao, hoy ny Ray masina, tamin'ny fanokafana ny Jobilin'ny Tanora ny 29 jolay 2025... • Nosokafana androany maraina, tao amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny Jobilin'ny Tanora sy Andron'ny Tanora eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Nankalaza ny Taon-jobily ihany koa ny tao amin'ny Diosezin'i Port-Bergé, ny Tanora tao amin'ny Faritra Androna...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...