Ny fahamainana dia mivavaka anefa tsy mahita tsirony, tahaka ny nahazo ireo mpianatr'i Jesoa, revo tao anaty tori-maso sy tebiteby. Mila fifantohana tanteraka ny olona mivavaka iray mba handresena ny fahamainana. Tahaka ireo virijiny niomana tamin'ny solika raha niambina dia ny vavaka indray no solika entintsika kristianina miandry ny fiverenan'i Jesoa... Katesizy momba ny fihakahan-kevitra, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...