Mivavaka ho anao ary ho ahy hatrany i Jesoa, porofon'izany ny voalaza ao amin'ny Lk 22, 31-32 : Hoy ny Tompo "Ry Simôna, ry Simôna, indro i Satana nitady hikororoka anareo tahaka ny vary, fa Izaho nangataka ho anao, mba sy ho lavo ny finoanao, ary rehefa mibebaka ianao dia hamafiso ny rahalahinao. Ny mangataka eto dia midika hoe mivavaka... Katesizy momba ny vavaka fototry ny fifandraisan'i Jesoa tamin'ireo mpianany, iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...