Ny fitoriana ny Fanjakàn'Andriamanitra amin'ny vahoaka nataon'i Jesoa dia tohizan'ny relijiozy amin'ireo manodidina azy. Tahaka izany koa ny fanasitranana ny marary. Tsy zovina amintsika ny fisian'ireo toeram-pitsaboana sy fikarakarana marary sahanin'ireo relijiozy sasany. Ny fitaomana ny olona hibebaka ka hanaovany soa, tahaka ny nataon'i Jesoa no isan'ny anjara adidin'ny relijiozy... Katesizy momba ny relijiozy, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.

[Miara-dàlana] Zoma 23 ôktôbra 2026

• “Fohazo izay matory”, hoy i Mgr Jean de Dieu Raoelison tamin'ireo ankohonam-panabeazan'ny Sekoly Katolika, tamin'ny fanokafana ofisialy ny taom-panabeazana 2026-2027, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo… • Mankalaza ny faha-200 taona niorenany ny fikambanan'ny Oblats de Marie Immaculée… • Dimampolo taona teto Madagasikara ny Orionistes, nanamarika izany ny Diosezin'Ambanja…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...