Alakamisy 5 mey 2022 — Herinandro fahatelo fankalazana ny Paka — Tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona; ary hiditra amin’ny voninahiny — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 44-52

Mampahafantatra ny olona rehetra i Jesoa mba hanao antom-pivelomana ilay mofo nidina avy any an-danitra. Ny mofo avy any an-danitra dia ny nofony ho fiainan’izao tontolo izao, izy mofo velona nidina avy any an-danitra, velona satria manan’aina, fa velona koa satria loharanon’aina. Avy amin’ny fihinanana azy no ahazahoanstika ny aina, dia tsy ilay aina hitambarana amin’ny zavaboahary ilay mety maty, fa ilay aina iombonana amin’Andriamanitra ilay tsy mety maty intsony.

Ny fiainan’i Jesoa no natolony ho aina mamelona an’izao tontolo izao. Hain’Andriamanitra ny mitondra ny zava-drehetra. Ny nahamaro ny apostoly sy ny fiparitahan’izy ireo tamin’ny toerana maro, izany fiparitahan’izy ireo izany dia tsy hahatonga azy ireo ho vavolombelona hatreo Samaria ihany fa hatrany am-para vazan-tany sy eran’izao tontolo izao.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...