Alakamisy 2 jona 2022 — Herinandro fahafito fankalazana ny Paka — Raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra no katsaho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 17, 20-26

Manasa antsika handinika ity vavak’i Jesoa mba hiombonantsika ity, fa indrindra amin’izao fotoana ahitana ady, fankahalana, fisaraham-bazana ary fanavakavahana amin’ny lafiny rehetra (ara-bolokoditra, ara-pinoana, ara-teny…). Tena mila an’io fiombonana io isika raha te hahita fahasambarana sy famonjena. Miaina ao anatin’ny fahasambarana isika rehefa mahatsapa fiombonana ao anatintsika sy ety ivelany. Karapanondron’ny kristianina ihany koa ny fiombonana ka noho izany manana adidy ny hitandro sy hikatsaka ary ny hiaina ao anatin’izany izy.

Lazain’i Jesoa fa raha te hahazo an’izany isika dia mila mahita ny fifandraisam-pitiavana misy eo amin’Andriamanitra Ray sy ny Zanaka noho ny herin’ny Fanahy Masina. Mila manaiky ny honenana sy hiasan’izany fitiavana izany anefa isika fa izany no hampiova ny fiainantsika tanteraka.

Mila zaraina amin’ny hafa ihany koa izany fiombonana izany rehefa avy novain’ny fitiavan’Andriamanitra isika tsirairay avy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...