Zoma 17 jona 2022 — Herinandro faha iraika ambin'ny folo mandavantaona — Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-janakao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 6, 19-23

Nambara tamintsika omaly, fa tsy afaka ny tsy hifandray amin'Andriamanitra isika. Nohariany mba ho azy ka mila miraiki-po aminy tanteraka. Ny Evanjely anio indray dia manambara fa mila mikatsaka azy Andriamanitra, harena ambony sy sarobidy indrindra mandrakizay, isika.

Mizotra mankany amin'Andriamanitra ity fiainantsika ity, ary tsy fiainana mandeha ho azy anefa fa fiainana katsahina isan'andro, fiainana efa santarina amin'ny alalan'ny fanehoantsika fa manjaka tatnteraka ao am-po sy amin'ny fiainana Andriamanitra, mambomba ny ataontsika ary miara-monina eo anivontsika.

Tsy ny rehetra anefa no afaka hiaina izany, tsy ny rehetra no mahatsapa fa harena ambony mahasambatra Andriamanitra. Fa isika mino azy ary mandeha am-pahitsiana eo anatrehany no tokony hankato azy Andriamanitra mandrakariva. Ary ho antsika kristianina, indrindra indrindra, dia ny feon'ny fieritreretana na ny "conscience" no maso mijery sy jiro manazava ny ataontsika. Ao Andriamanitra no miteny amintsika mba hanaovantsika izay sitrany sy mahafaly azy.

Mila diovina io kônsiansy io, mila beazina sy kolokoloina satria hoy i Kristy hoe : "Ny maso no jiron'ny tena, raha tsara ny masonao dia hazava avokoa ny tenanao rehetra".

Voafidin'Andriamanitra isika, voatokana ho azy ka tokony hikatsaka sy hampanjaka azy. Katsaho Andriamanitra, dia hanana anjara amin'izay ananany isika ary handova ny fanjakany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...