Talata 19 jolay 2022 — Herinandro fahenina ambin'ny folo mandavantaona — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 12, 46-50

Iza moa no reniko ary zovy no rahalahiko na iray tampo amiko ? Mazava ny valintenin’i Jesoa, izay miaraka aminy amin’ny fiainana andavanandro, miara-mitory ny tenin’ny fiainana aminy. Ireo fianakaviana nipoiran’i Jesoa, nahita sy naheno ny fampianarany. Tsy araka ny fijerin’olombelona ny fijerin’i Jesoa ka heverin’izy ireo fa very saina izy araka ny nambaran’i Masindahy Paoly ao am 1 Kor 1, 17-2, 16 : "Fahadalana ho an’ny olona ny fahendren’Andriamanitra".

Amin’ireo izay mihaino azy no ilazan’i Jesoa hoe reniny sy rahalahiny. I Maria dia reniny satria nanao "eny" hatrany tamin’izay nangatahan’Andriamanitra taminy. Izay toa azy, manaiky ho fitaovana ampiasain’Andriamanitra dia iray tampo amin’i Jesoa, iray aina aminy. Hasambarana lehibe ho an’ny olona ny mahazo fahefana ho tonga zanak’Andriamanitra, tonga reharehan’Andriamanitra satria zanany, miombona antoka aminy amin’ny fanitarana ny fanjakany.

Jesoa ô, ataovy miaina ao anatin’ny hafalianao sy ny fanatanterahana ny sitraponano aho ka ho sambatra tokoa, satria fianakavianao. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...