Alatsinainy 29 aogositra 2022 — Herinandro faharoa amby roapolo mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana. Ankamasino amin’ny fahamarinana izahay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 4, 16-30

Ity Evanjely ity no maneho amintsika olombelona fa tsy mivadika Andriamanitra, manome izay nampanantenainy. Rahefa simba sy rava noho ny fahotana ny fiainantsika dia nampanantena Mpamonjy Izy, dia ilay Zanany malalany. Io Zanany feno ny Fanahy Masina io no hampianatra antsika izay sitrak’Andriamanitra amin’ny fankatoavana ny Teniny, hananantsika toe-piainana vaovao sy hanafaka antsika amin’ireo haratsiana sy ratra vokatry ny fahotana. Ao Aminy no lavorary sy tanteraka ny maha olom-baovao antsika, miaina sy madeha ara-panahy, tsy voafatopatotra na voageja, afaka hibanjina ilay fiainana mandrakizay, lova nampanantenaina antsika. Fampanantena nataon’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Izaia Mpaminany fa tanteraka ao amin’i Kristy.

Rentsika teo anefa fa na dia izao tontolo izao no nahatongavan’i Kristy, mba hovonjeny dia misy ireo mamboly sakana, tsy ho anisan’ireo mila famonjena. Tao amin’ireo vahoaka nihaino Azy, misy tsy mino, tsy nampisy vokany na fiantraikany ny fitoriana natao azy : ireny ireo mandeha araka ny saim-pantany fa tsy mandeha araka an’Andriamanitra. Nisy koa ireo nijanona fotsiny amin’ny fahitana ivelany ka tsy afaka handeha araka izay hitondrana azy, nahalala ny momba an’i Kristy fa tsy nandray Azy ho Mpamonjy. Ireny karazan’olona ireny no mihanona amin’izay efa azo sy hita fotsiny fa tsy mba sahy mirotsaka lalina. Ilana fampivoarana sy firosoana lalin-dalina hatrany anefa ny finoana mba hifikirana tanteraka amin’Andriamanitra fa tsy indray mandeha amin’ny fiainana. Ary farany tamin’ireo nihaino an’i Kristy tao amin’ny Sinagoga, ireo mitady famantarana vao hino, miandry zavatra hiseho vao resy lahatra. Ireny olona ireny no manao an’Andriamanitra ho mpamaha olona fotsiny, ho mpanome izay tadiavina fa tsy mandray Azy ho Mpamonjy velively.

Tonga hamonjy antsika i Kristy, tonga hampianatra antsika koa ny fomba sy ny lalana tokony arahina, izorantsika mankamin’Andriamanitra. Hamafiso ny finoantsika Azy, fa io finoana io no nanentana ny fiainan’i Joany Batista hankato an’Andriamanitra ka sahy nijoro tamin’ny marina hatramin’ny farany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...