Alakamisy 15 septambra 2022 — Herinandro Tsotra fahefatra amby roapolo Mandavantaona — Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy sy nametraka indray ny teny fampanantenana tamintsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 7, 36-50

Ry kristianina havana ! Amin’ity fahatsiarovana an’i Masina Maria vonton’alahelo ity dia ny nanoloran’i Jesoa an’i Maria ho renin’i Joany sy Renintsika teo am-pototry ny hazofijaliana no tantaran’i Md Joany Mpanoratra ny Evanjely ho antsika fa isika kosa dia mifantoka hatrany amin’ny Evanjely haroso ho antsika amin’ity herinandro faha-24 mandavantaona ity. Androany àry dia mbola mahakasika ny famindrampon’Andriamanitra ny Vaovao Mahafaly aroson’ny Eglizy hodinihintsika sy iainantsika. Eto dia mitamberina ao an-tsaina ilay tenin’i Jesoa hoe : Ny fahotana rehetra dia ahazoantsika famelana avokoa afa-tsy izay hiteny ratsy ny Fanahy Masina ihany. Mazàna tokoa mantsy isika dia lany andro mitanisa sy mitsikera ny fahotantsika, hany ka kivy be ihany dia lasa tsy manana hery hoentina manatona ny indrafon’Andriamanitra intsony. Raha mibebaka mantsy isika, tsy mbola nanosi-bohontanana antsika Andriamanitra satria tsy manam-petra ny famindram-pony. Misy ezaka takiana amintsika mantsy raha tena vonona hibebaka marina isika. Raha ity Vaovao Mahafaly androany ity no dinihina dia mamporisika antsika hoe sahia manao dingana lehibe indrindra amin’izany fibebahana izany. Fitaratra ho antsika mantsy ny fihetsik’ity vehivavy voalaza mazava fa ratsy fitondrantena maniry te hanana endri-piainana vaovao ity. Sahy nanitsaka ny tokonam-baravaran’ny Farisianina izy, sahy niseho masoandro ho hitan’ny besinimaro, sahy niatrika izay mety ho lazain’ny olona momba azy, sahy nanatona an’i Jesoa mivantana, sahy mandresy ny henatra. Sahy nanao izany dingana rehetra izany ity vehivavy ity satria mino ny fitiavan’Andriamanitra ary mahatsapa fa mila famonjena.

I Jesoa Kristy dia tonga hamonjy ny olombelona rehetra, izany no antony nanirahan’ny Ray azy tety an-tany ka niarahany nonina tamintsika sy nizàrany ny fiainantsika afa-tsy tamin’ny ny fahotana. Atolotr’Andriamanitra Ray maimaim-poana ho antsika ny famonjena nefa tsy manery na iza na iza Izy hankato izany ; izay misokatra amin’ny fitavany sy mino ary matoky Azy ihany no azony vonjena. Vonona handray izay rehetra miverina Aminy Andriamanitra, tsy manavaka na iza na iza, na amin’ny fotoana inona na amin’ny fotoana inona ary na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana entina maneho izany faniriana te hiova sy te higoka fiainam-baovao izany. Eny, ekena fa tsy mora ny lalana irosoana ho amin’ny fibebahana ; kanefa raha mino isika fa tia antsika Andriamanitra, ary ao aminy no tena misy ny fiainana dia efa fanoitra sy hery lehibe manosika antsika hanao ezaka ialana amin’ny endri-piainana tsy mendrika ny anarana isalorantsika hoe kristianina. Koa manatona ary ny indrafo sy ny fitiavan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny sakramentan’ny fampihavanana, ary mivonona mandrakariva ho amin’izany. Aza matahotra ny hibebaka ary aza misakana ny olona tsy hibebaka ihany koa. Aza adino fa ny fitiavana no manosika antsika hanatona ny indrafon’Andriamanitra ary izay fitiavana izay ihany koa no ahazoantsika famelana satria io no hitsarana antsika. Tsy ny habean’ny fahotana na ny heloka ataontsika no hitsarana antsika fa ny haben’ny fitiavantsika satria ny fahotana na ny heloka dia ahazoana famelana rehefa mibebaka isika.

Andriamanitra Rainay ô ! Be fitiavana ianao ary tsy mitsahatra maneho izany aminay. Ampio izahay hahay hanatona anao am-pitokiana sy am-pitiavana na dia tsy mendrika aza. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 mey 2024

♦ Nodimandry teo amin'ny faha-95 taonany i P. Giovanni Follese, antsoina ihany koa hoe Mompera Joany, avy amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco... ♦ Manasa antsika rehetra hivavaka ho an'ny fiofanan'ny relijiozy sy ny seminarista, ny Papa François, ao anatin'ny tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana mey ity... ♦ Tanjona ho an'ny Antilin'i Madagasikara ny hanana fanabeazana tsaratsara kokoa, izany no antony nanatontosan'izy ireo ny fiofanana tao anatin'ny valo andro, izay nanomboka ny 27 aprily hatramin'ny 5 mey 2024, ho an'ny Diôsezin'i Mahajanga...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...