Zoma 16 septambra 2022 — Herinandro Tsotra fahefatra amby roapolo Mandavantaona — Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 8, 1-3

Ry kristianina havana ! Hafa tsy toy ny isan’andro ity Vaovao Mahafaly aroson’ny Eglizy ho antsika androany ity. Raha ny marina tokoa dia tsy manavaka izay olona te hiaraka aminy i Jesoa. Ny fiaraha-monina Jody tamin’ny andron’i Jesoa mantsy dia nanao tsinontsinona ny vehivavy. Nosokajiana ho tsy dia manan-danja loatra ny vehivavy, ka hatrany hatrany dia natao an-kilabao. Tsy manan-jo haneho ny heviny izy ireo na hanontany eny imason’olona, tsy mahazo miara-mipetraka amin’ny lehilehy ao amin’ny Sinagôga, ary indrindra indrindra tsy azo atomboka ny ao raha tsy misy lehilahy folo eo fara fahakeliny. Rehefa misy fanisam-bahoaka dia tsy anisany izy fa ny lehilahy ihany no isaina. Sokajiana ho ambany ny vehivavy hany ka ny mpampianatra malaza sy manana ny maha izy azy dia tsy mandray ny vehivavy ho anisan’ny mpianany velively.

Nihoaran’i Jesoa daholo anefa izany fomba fisainana sy fijery ary fomba amam-panao rehetra manivaiva ny vehivavy izany. Azo lazaina ho olona voalohany nanandratra ny vehivavy izy, nampiseho fa manana ny hasiny sy ny zony ary ny maha izy azy ny vehivavy fa tsy ambany noho ny lehilahy izany, ary tena misy ilàna azy. Manaporofo izany fiovana entin’i Jesoa izany ny fifandraisany amin-kalalahana amin’ny vehivavy : miresaka aminy, manatona azy, manasitrana… ekeny ny fahafahan’ny vehivavy maneho ny heviny sy ny fihetseham-pony ampahibemaso araka ny Evanjely omaly ; raisiny ho anisan’ny mpianany sy mpiara-miasa aminy na lehilahy na vehivavy, io no novakiana tamintsika teo. Ny vehivavy izay efa nanara-dia azy hatraiza hatraiza dia naharitra nanaraka azy hatreny an-tampon’ny Kalvery ; ary mbola izy ireny ihany koa no voalohany nijoro ho vavolombelon’ny fitsanganan’i Jesoa ho velona, nirahiny hitondra ny Vaovao Mahafaly amin’ny Apôstôly izay lehilahy avokoa.

Raha ny hafanam-po anie no jerena amin’ity fanarahan-dia an’i Jesoa sy fiaraha-miasa Aminy ary ny fanompoana ny Fiangonana ity dia ny vehivavy no anisan’ny tena betsaka sady manana faharetana ary azo antoka kokoa aza. Amin’ny sehatra maro hikatrohan’ny Fiangonana ankehitriny dia tsy dia hita loatra ny lehilahy fa ny vehivavy no betsaka ary tena mafana fo. Samy noharian’Andriamanitra hitovy endrika aminy anefa na ny lehilahy na ny vehivavy, ary sarobidy eo imasony avokoa, noho izany dia manana zo sy hasina mitovy. Ohatra lehibe ho antsika eo amin’izany fanajana ny endrika nanaovan’ny Ray antsika izany i Jesoa. Hainy ny mahay miara-miasa sy miara-miaina amin’ny lehilahy sy ny vehivavy. Koa enga anie isika mba hahay hiara-miaina sy hiara-miasa ary hifanaja eo amin’ny sehatra rehetra misy antsika ary hitandro mandrakariva ny zo aman-kasin’ny tsirairay fa izany no antoka mahalavorary ny fiombonana sy ny fifankatiavana ka ahafahantsika miara-dia ao amin’ny Eglizy araka ny fiangavian’ny Papa Ray Masina antsika amin’izao Sinaody izao.

Jesoa Tompo ô ! Antsoina hiombona asa aminao ny olon-drehetra na lahy na vavy ; koa omeo hery izahay hahatontosanay an-tsakany sy an-davany an’izany. Ampio koa izahay mba tsy hivadika aminao fa mba haharitra hatramin’ny farany. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 mey 2024

♦ Nodimandry teo amin'ny faha-95 taonany i P. Giovanni Follese, antsoina ihany koa hoe Mompera Joany, avy amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco... ♦ Manasa antsika rehetra hivavaka ho an'ny fiofanan'ny relijiozy sy ny seminarista, ny Papa François, ao anatin'ny tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana mey ity... ♦ Tanjona ho an'ny Antilin'i Madagasikara ny hanana fanabeazana tsaratsara kokoa, izany no antony nanatontosan'izy ireo ny fiofanana tao anatin'ny valo andro, izay nanomboka ny 27 aprily hatramin'ny 5 mey 2024, ho an'ny Diôsezin'i Mahajanga...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...