Alakamisy 20 ôktôbra 2022 — Herinandro Tsotra fahasivy amby roapolo Mandavantaona — Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 12, 49-53

Tonga hanipy afo ety ambonin’ny tany aho, ka akory ity faniriko mba hiretan’izany sahady, hoy i Jesoa. Ny afo ambarany eto dia ilay afom-pitiavany antsika olombelona, ny fitiavany te hamonjy ny olombelona ka nanolorany ny ainy teo ambony hazofijaliana. Ary ny finoana an’i Kristy nitsangan-ko velona dia mitaky fombam-piainana vaovao ka mety hiteraka tsy fifankahazoan-kevitra na dia eo amin’ny samy mpianakavy aza, eny hatrimin’ny mpianaka aza : "moa ataonareo fa tonga hitondra fihavanana ety an-tany aho ? Tsia hoy aho aminareo, fa fampisarahana aza". Marina fa hitondra famonjena no nahatongavany, fa misy ireo minia tsy manokatra ny fony handray ny fampianarany izay mifono izany famonjena hoantsika olombelona izany, ka miteraka tsy fifankahazoana hevitra, tsy manaiky hodiovin’ilay afom-pitiavan’i Kristy ny fombam-piainany.

Ny afo entin’i Kristy mantsy dia afom-pitiavana marina, afo afaka madoro sy mandevina ny fitiavan-tenantsika sy ny avonavona rehetra. Ka mitarika antsika ho amin’ny fiovam-po izany. Ary rehefa manaiky ho diovin’izany afom-pitiavan’i Kristy izany isika dia tonga fitaovana hanadio sy hanasaraka ireo fomba fisainana tsy mety voizin’ny fiaraha-monina ary mitaona ny olona hanaraka ny fomba fisainana kristianina marina. Ny antony mahatonga ny maro amintsika tsy hisy fiantraikany mafy amin'ny fiaraha-monina dia noho ny tsy fahampian'ny fitiavana marina toy izany. Koa managataha ny fahasoavan’i Jesoa Kristy mba handoro ny haratsiana ao amintsika tsirairay avy ka ho afaka hiaina ny fitiavana sy ny fanadiovana, ary fiovam-po marina tokoa isika mianakavy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...