Zoma 21 ôktôbra 2022 — Herinandro Tsotra fahasivy amby roapolo Mandavantaona — Asehoy ny mpanomponao ny tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsaranao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 12, 54-59

Ry mpihatsaravelatsihy, hainareo fantarina ny toetry ny lanitra sy ny tany, ka ahoana àry no tsy ahafantaranareo izao diavintsika izao ? Nahoana koa no tsy amantaran’ny tenanareo izay marina ? Miantso antsika i Jesoa hijery ny fiainantsika manontolo amin’ny fahamarinana tokoa. Hasaina isika hijoro marina ho mpianatr’i Kristy. Ka ny lalàny dia tsy mitovy lalàn’izao tontolo izao, izay ny matanjaka no manjaka, ny vola no miasa. Ny an’i Kristy dia lalàn’ny fitiavana ka ny marina ihany no tokony hanjaka eo amin’ny fiainana. Te hampitandrina antsika eto i Kritsy mba tsy hampiasa fahefana ka hanao tsindry hazo lena ny madinika isika fa mba hitsara ny hafa araka ny marina tokoa.

Raha ny zava-misy eo amin’ny fianantsika andravanandro tokoa no resahina dia sarotra amintsika no miteny azy satria tsy te hilaza ny tena marina tokoa isika. Mihatsaravelatsihy isika matetika satria matahotra ny hilaza ny tena marina amintsika samy isika. Ary fantatsika mihitsy àry ny marina fa minia tsy manaraka ny marina isika. Ka hoy indrindra i Masindahy Paoly ao amin’ny taratasy nosoratany ho an’ny Romanina 7, 18-25 : "Fantatsika izay tsara nefa tsy ataontsika. Fantatsika ny fahotana nefa ataontsika ihany izany. Iza no mahavonjy antsika amin’izao fahasahiranana izao ? Iza re no hanafaka ahy amin’ity vatam-pahafatesana ity ?", hoy i Masindahy Paoly nanontany. Ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompontsika, Izay manome ny Fanahy Masina ! Ka ny Fanahy no hitaona antsika hamela heloka, hanam-paharetana, hijoro amin’ny marina sy ho mpampihavana. Sarotra tokoa ny miala amin'ny fahazarana raha tsy miaraka amin’ny fahatokisana ny fahosoavan’Andriamanitra sy ny fanampiany isika rehetra.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...