Sabotsy 22 ôktôbra 2022 — Herinandro Tsotra fahasivy amby roapolo Mandavantaona — Fa ny tenin’Andriamanitra kosa dia maharitra mandrakizay; ary izany no tenin’ny Evanjely izay notorìna taminareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 13, 1-9

"Moa ataonareo fa ireny Galelianina maty ireny dia mpanota mihoatra noho ny Galelianina rehetra matoa nozoin-doza toy izany ireny, na ireo vahoaka marobe maty nianjeran’ny tilikambon’i Silôe no meloka mihoatra ny mponina rehetra tao Jerosalema ? Tsia, tsy izany velively, hoy i Jesoa, fa raha tsy mibebaka isika dia ho very".

Matetika isika mihevitra fa ireo olona niharan’ny heristra na vono olona, na koa niharan-doza dia tsy narovan’Andriamanitra fa mpanota kokoa noho isika. Tsy izany velively anefa. Andriamanitra dia fitiavana, famindram-po, mpamelona fa tsy mpamono. Ka eto amin’ity Evanjely henontsika teo ity ireto olona Jody tonga miresaka tamin’i Jesoa ireto dia niezaka ny handresy lahatra ny tenany sy ny vahoaka fa matoa ireo Galelianina sasany ireo nidiran-doza, matoa Andriamanitra tsy niaro azy ireo dia satria "nisy zavatra nahadiso azy ireo". Tsy niady hevitra tamin’izy ireo momba izany anefa i Jesoa fa nampitandrina azy ireo kosa mba hibebaka. Aiza mangataka andro amin’ny fibebahana isika, araraoty ny faharetana sy ny famindrampon’Andriamanitra. Mikiky antsika tsikelikely ny ratsy ka mila fongorina, esorina ny zava-dratsy tsy mampamokatra antsika eo amin’ny fiainana izay mampanalavitra antsika an’Andriamanitra ary tsy tokony hangatahana andro ny manesotra izany. Ny fibebahana sy ny fiovana toe-tsaina tokoa mantsy dia miompana amin’izany famongorana ny ratsy, ka hahatsapana mandrakariva ny fitiavana amam-pamindram-po arotsak’Andriamanitra ho antsika isan’andro vaky. Anio àry Andriamanitra dia mandondona ny varavaran’ny fontsika, te hanome vokatra vaovao eo amin’ny fiainantsika izy, moa ve isika vonona hamela ny fontsika hokolokoloin’Andriamanitra ?

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...