Alahady 25 desambra 2022 — Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy — Mamiratra amintsika ilay andro masina; koa avia, ry firenena rehetra, mitsaoka ny Tompo, satria nidina androany tety an-tany ilay Fahazavana lehibe — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 1, 1-18

Andro lehibe sady masina ho antsika ny andro anio.

“Indro teraka ho anareo anio ny Mpamonjy”,

hoy ny anjely tamin’ireo mpiandry ondry. Manakoako amin’ny Eglizy manerana an’izao tontolo izao izany Vaovao Mahafaly izany. Maro no mankalaza ity fety lehibe ity amin’ny maha fetin’Andriamanitra azy. Fa ny mampalahelo koa dia maro ireo tsy mahalala na manao tsinontsinona ny tena fototr’ity fetin’ny Noely ity. Heverin’ny olona sasany manko fa fety tsotra toy ny fety hafa rehetra ny Noely, ka tsy misy afa-tsy ny endrika ety ivelany no manahirana azy, toy ny sakafo, ny fandravahana ny trano, ny fitafiana vaovao… fa adino tanteraka ilay tena zava-dehibe. Adino fa ny Noely dia i Jesoa, Ilay Teny tonga nofo, tonga hamonjy ny olona izay very noho ny fahotana.

Ny Teny ihany no tena Fahazavana izay manazava ny olona rehetra tonga amin’izao tontolo izao. Manoloana ny haizina mandrakotra izao tontolo izao, vokatry ny ady, ny tsy fandriam-pahalemana, ny fisaratsarahana... no nanirahan’Andriamanitra Ray Ilay Zanany hiara-monina amintsika ety an-tany. Tonga izy hanazava ny fiainantsika ho amin’ny fahazavana mamirapiratra. Tanteraka izany rehefa mandray an’i Jesoa isika.

Tonga nofo ny tenin’Andriamanitra. Nanaiky ny Ray i Jesoa Kristy ka tonga hanafaka an’ireo mijaly, marary, hankahery ny malahelo, ireo tsy an’asa, hitondra vahaolana ho an’ireo fianakaviana misy disadisa. Marina fa tsy hitondra fahagagana araka izay heverin’ny olona Izy. Fa hanokatra kosa ny varavaran’ny fanantenana ho antsika, ary hankahery antsika hatrany hatrany. Tsy Andriamanitra lavitra antsika manko ilay Andriamanitra Ray Zanaka Fanahy Masina, fa Andriamanitra akaiky antsika. Izany indrindra no ankalazaintsika amin’izao Noely izao : Emanoela, izany hoe Andriamanitra tonga miara-monina amintsika. Ny fetin’ny Noely dia manentana antsika handrava ny rindrin’ny fitiavan-tenantsika, ny tsy firarahintsika ny hafa, ny fanavakavahana, ny lolom-po isan-karazany. Ny nahaterahan’i Jesoa Zazakely tao an-tranon’omby dia maneho fahantrana tanteraka. Tonga ho an’ny olona rehetra i Jesoa, ary indrindra tonga ho an’ireo mahantra. Mandray an’i Jesoa isika rehefa mandray ny mahantra, ireo ailikiliky ny fiaraha-monina, satria ao amin’izy ireo i Jesoa. Raha izany no tanterahantsika dia tena mankalaza ny Noely, i Jesoa fahazavana sy fiainana, marina isika.

Mamerina ny fiarahabana antsika mianakavy tratry ny Noely ary mirary fety sambatra miaraka amin’i Jesoa Tonga nofo ho antsika.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...