17 aprily 2023 — Alatsinainy, Herinandro faharoa Fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, sady nitondra antsika amin’ny mazava; isika izay navotany tamin’ny Rany — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 3, 1-8)

Nisy Farisianina anankiray atao hoe Nikôdema,
isan’ny lehibe tamin’ny Jody.
Nankao amin’i Jesoa izy nony alina
ka nanao taminy hoe:

“Raby,
fantatray fa Mpampianatra avy amin’Andriamanitra Ianao,
fa tsy misy olona hahefa izao fahagagana ataonao izao
raha tsy Andriamanitra no momba azy.”

Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe:

“Lazaiko marina dia marina aminao
fa raha tsy ateraka indray ny olona,
dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’Andriamanitra.”

Ary hoy i Nikôdema taminy:

“Ataon’ny olona ahoana no hateraka indray
rahefa antitra izy?
Moa mahazo miditra any an-kibon-dreniny indray va izy
ka hateraka indray?”

Fa hoy i Jesoa:

“Lazaiko marina dia marina aminao
fa raha tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy indray ny olona,
dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra.
Izay ateraky ny nofo, dia nofo,
ary izay ateraky ny Fanahy, dia fanahy.
Aza gaga ianao noho ny nilazako taminao hoe:
‘Tsy maintsy hateraka indray ianareo.’
Ny rivotra mitsoka amin’izay tiany ary renao ny feony,
nefa tsy fantatrao izay iaviany na izay alehany;
tahaka izany izay rehetra ateraky ny Fanahy.”

[Miara-dàlana] Zoma 20 jona 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...