18 jona 2023 — Alahady Tsotra faharaika ambin'ny folo Mandavantaona — Taona A — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo: Izaho mahalala azy ary izy manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 36 — 10, 8)

Ry kristianina havana, ambaran’ny Evanjely amintsika anio i Jesoa onena mahita ny vahoakany mihahaka tahaka ny ondry tsy misy mpiandry, tsy mahita lalan-kaleha na diso lalana satria tsy misy mpitarika ; na koa tahaka ny vary efa masaka eny an-tsaha ka miraraka ompana satria vitsy ny mpijinja ka tsy maharaka ny asa maika. Mahita izany Andriamanitra dia ontsa, marary ny ainy, voadona any anaty fony lalina any. Dia maniraka antsika ary i Jesoa hivavaka amin’ny Tompom-bary mba haniraka mpijinja ami’ny variny. Mila olona hitory famonjena Andriamanitra, mila olona hiantso fibebahana ary maika ilay fibebahana ka mila olona maro sy vonona. Izany no ivavahantsika lalandava ho an’ny fiantsoan’Andriamanitra.

Nantsoin’i Jesoa tamin’ny anarany tsirairay ny apôstôly roa ambin’ny folo. Antsoiny amin’ny anarany satria samy manana ny maha izy azy ; ary izay maha izy azy izay indrindra no ilan’ny Tompo azy, tsy amboamboarina, eny fa na dia samy manana ny kilemany koa aza. Isaky ny mitanisa ny anaran’ny Apôstôly ny Evanjely, dia i Piera mandrakariva no voalohany satria mametraka ilay Eglizy Apôstôlika i Jesoa ka i Piera sy ny dimbiny (dia ny Papa) no filoha hita maso. Fa alohan’ny asa sy iraka dia tsy maintsy miara-miaina sy maka ny toetr’i Jesoa mihitsy aloha, miaina ny fiainany mihitsy.

Ny votoatin’ny Evanjely hotorina dia Fanjakan’Andriamanitra efa akaiky. Mila mibebaka malaky ny olona mba ho mendrika izany sy ho voavonjy. Nomena fahefana handroaka ny fanahy maloto sy hanasitrana ny marary, hanadio ny boka sy hanangana ny maty. Manaisotra izay sakantsakana rehetra tsy ahafahan’ny olona manatona an’Andriamanitra. Atao maimaimpoana ny iraka satria fanomezana tsy misy tambiny izany maha apôstôly sy maha irak’Andriamanitra izany… Mila olona Andriamanitra, i Jesoa mikaroka mpiasa vaovao hanitatra ny Fanjakany eto an-tany. Meteza isika ho Azy, hamaly ny antsony, hiasa ao amin’ny sahany. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 10 mey 2024

♦ Tontosa ny alarobia 8 mey 2024 ny Sorona Masina fanaovam-beloma farany an'i P. Giovanni Follese, Salezianina Don Bosco... ♦ Hafatra mifono teny fankaherezana no nentin'ny Vikera Jeneraly, P. Wagner Randriamampandry, ho an'ireo mpanabe sy beazina rehetra eo anivon'ny Sekoly Katôlika eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Sekoly Katôlika izay notanterahana androany... ♦ Niompana tamin'ny fanantenana, izay hatsaram-panahy fototra, ny katesizin'ny Papa François tamin'ny alarobia 8 mey 2024...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...